SENATORIALE : KMF/CNOE et CENI , sur le même diapason

0
6

FIFIDIANANA ANTENIMERANDOHOLONA
Miray feo amin’ny CENI ny KMF/CNOE
Miombon-kevitra amin’ny Ceni ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena amin’ny fanarahana ny lalampanorenana ka vitaina mialohan’ny fe-potoam-piasan’ny Antenimerandoholona ankehitriny ny fifidianana, raha ny fampitam-baovaon’ny Filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison, teny Ankerana, ny 20 Aogositra teo. Mitaky ihany anefa ny fikambanana ny hanatanterahana ireo fifidianana ho Ben’ny Tanana sy ho mpanolontsaina izay averina mba ho feno ny mpifidy vaventy hahafahan’ireo solontenan’ny Kaominina ireo handray anjara amin’ny maha-mpifidy vaventy azy. Kanefa tsy izany akory no zary sakana ka hanemorana indray fifidianana ho ao amin’ny Antenimerandoholona.
Anisan’ny voalazan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana, Elibin Tokiniaina ihany koa fa mbola andrasana ny tena lisitry ny kaominina mila hamerenana fifidianana, tsy vitsy amin’izy ireo no mbola mampiakatra ny raharaha hany ka mbola miandry valim-pitsarana. Notsindrian’ny Filoha lefitra, Félix Rabekijana fa ireo olom-boafidy ihany no mpifidy vaventy fa tsy ireo olom-boatendry.
Ny tena filan’ny vahoaka sy mahasoa ny olompirenena no andrandrain’ny fikambanana amin’ny fitondram-panjakana izay mijoro, indrindra amin’izao maha-Filohan’ny SADEC izao, ka hanatsara ny fahefa-mividy, fandriampahalemana, lalam-pirenena, flyovers.
Manoloana ny fakan-kevitra fanatsarana ny lalam-pifidianana tanterahin’ny CENI ankehitriny, nisafidy niaraka tamin’ny fiarahamonim-pirenena nanolotra ny sosokeviny ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Miandrandra ny fikambanana fa ireo vokatry ny angon-kevitra rehetra avy any ifotony no havoakan’ny CENI amin’io fanatsarana ny lalam-pifidianana io, hoy hatrany ny Filoha nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison. Tsiahivina moa fa manatanteraka fikaonandoha ho amin’ ny vinan’ny fikambanana, mandritra ny telo andro, ny 19 hatramin’ny 21 aogositra, eny amin’ny La Résidence Ankerana ny birao nasiona Voir moins