KMF/CNOE-FANABEAZANA OLOMPIRENENA: Nandinin-tena teny Ankerana Ankadindramamy
“Endrika fandinihan-tena izao tombana sy famolavolana ny vina ho amin’ny fiainam-pikambanana izao”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison, nandritra ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny La Résidence Ankerana, Ankadindramamy, ny alarobia 20 Aogositra farany teo. Nikaondoha nandritra ny hateloana, nanomboka ny faha-19 hatramin’ny 21 Aogositra, ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity fikambanana ity. “Ny Birao Nasionaly, ny mpandrindra nasionaly na ny ekipa teknika, ny Mpandrindram-paritra sasany no tonga eto Ankerana, mandinika ny vinan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ho amin’ny 35 taona manaraka indray, izay tantsoroka miaraka amin’ny Fanainga+”, hoy hatrany Robert Namearison, Filoha Nasionalin’ny fikambanana.
Nananika ny roapolo ireo mpandray anjara an’ity firaisamonim-pirenena ity tamin’io fanatsarana ny vinan’ny fikambanana io. Mbola handalo fakankevitra maro amin’ireo mpikambana sy fandravonana ary faneken’ny Fivoriambe na “Assemblée générale” ireo tolo-kevitra izay nodinihina tao Ankerana. Araka ny angom-baovao teny an-toerana, tsy vitsy teboka mitaky fanovana hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny.
Azo antoka aloha fa hijanona hiantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana hatrany ity fikambanana ity, noho izy komity mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara. Hitoetra ao aminy hatrany ihany koa ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena. Tsikaritra izany tamin’ny valim-panontaniana an’ireo mpanao gazety maro izay nirodorodo teny an-toerana mahakasika ny famakafakan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ny fivoriamben’ny SADEC, fitanterana an-tariby, ny lalam-be mikodana 8km, ny ho fifidianana eo anivon’ny Antenimierandoholona.
Iray feo amin’ny CENI
Miombon-kevitra amin’ny Ceni ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena amin’ny fanarahana ny lalampanorenana ka vitaina mialohan’ny fe-potoam-piasan’ny Antenimerandoholona ankehitriny ny fifidianana, raha ny fampitam-baovaon’ny Filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison, teny Ankerana, ny 20 Aogositra teo. Mitaky ihany anefa ny fikambanana ny hanatanterahana ireo fifidianana ho Ben’ny Tanana sy ho mpanolontsaina izay averina mba ho feno ny mpifidy vaventy hahafahan’ireo solontenan’ny Kaominina ireo handray anjara amin’ny maha-mpifidy vaventy azy. Kanefa tsy izany akory no zary sakana ka hanemorana indray fifidianana ho ao amin’ny Antenimerandoholona.
Anisan’ny voalazan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana, Elibin Tokiniaina ihany koa fa mbola andrasana ny tena lisitry ny kaominina mila hamerenana fifidianana, tsy vitsy amin’izy ireo no mbola mampiakatra ny raharaha hany ka mbola miandry valim-pitsarana. Notsindrian’ny Filoha lefitra, Félix Rabekijana fa ireo olom-boafidy ihany no mpifidy vaventy fa tsy ireo olom-boatendry.
Ny tena filan’ny vahoaka sy mahasoa ny olompirenena no andrandrain’ny fikambanana amin’ny fitondram-panjakana izay mijoro, indrindra amin’izao maha-Filohan’ny SADEC izao, ka hanatsara ny fahefa-mividy, fandriampahalemana, lalam-pirenena, flyovers.
Lalam-pifidianana
Manoloana ny fakan-kevitra fanatsarana ny lalam-pifidianana tanterahin’ny CENI ankehitriny, nisafidy niaraka tamin’ny fiarahamonim-pirenena nanolotra ny sosokeviny ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Miandrandra ny fikambanana fa ireo vokatry ny angon-kevitra rehetra avy any ifotony no havoakan’ny CENI amin’io fanatsarana ny lalam-pifidianana io, hoy hatrany ny Filoha nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison. Tsiahivina moa fa manatanteraka fikaonandoha ho amin’ ny vinan’ny fikambanana, mandritra ny telo andro, ny 19 hatramin’ny 21 aogositra, eny amin’ny La Résidence Ankerana ny birao nasionaly, ny ekipa teknika ary ny mpandrindram-paritry ny Fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena.
Serasera sy fifandraisana KMF/CNOE



