TAFATAFA MANOKANA TAMIN’I ROBERT NAMEARISON, FILOHAN’NY KMF/CNOE : “Fotoana izao hanatanterahana ny fifidianana izay ho tendrena ho Sefo Fokontany”

0
74

Mitavozavoza tsy ahitam-baliny ny fitoriana any amin’ny Filankevi-panjakana hany ka miseho lany ny disadisa sy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena amina Kaominina vitsivitsy manoloana ny fametrahana sahady ireo Ben’ny Tanany. Tsy mialoha fa aorian’ny latsa-bato tahaka izao fahavitan’ny fifidianana ho Ben’ny tahaka izao no fanendrena ny ho Sefo Fokontany sy ny Lefiny, izay avy nofidiana ka lany tamin’ny fivoriambem-pokonolona, raha ny tafa manokana notanterahin’ny Tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisan’ny KMF/CNOE na TSF tamin’ny Président National Robert Namearison na PRN, Filoha Nasionalin’ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, teto Antananarivo, ny 29 avrily farany teo.
Tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisan’ny KMF/CNOE na TSF : Andriamatoa Filohan’ny fikambanana, tendrena sa fidina ny Sefo Fokontany?
Président Robert Namearison na PRN : Raha ny lalàna velona mahakasika ny Fokontany, vao mipetraka amin’ny toerany ny Ben’ny tanana, tanterahina ny fanoloana ny Sefo fokontany. Voafaritra amin’izany fa antsoina ny fokonolona izay feno valo ambin’ny folo taona noho ny miakatra hanatanterahana fivoriambe. Io fivoriambem-pokonolona io no mifidy ny ho Filoha sy ny ho Lefitry ny Sefo Fokontany. Vata fandatsaham-bato roa no ampiasaina amin’izany mba hifaninan’ireo mpirotsaka ho fidiana ho Filoha sy ho Lefitra . Izay mahazo vato be indrindra amin’ireo voafidin’ny olompirenena tamin’ireo mpirotsaka ho fidiana ho Sefo Fokontany sy ny ho Lefiny no tendren’ny Solontenam-panjakana.
TSF : Ara-dalàna ve ireny fanoloana Sefo Fokontany mialohan’ny fifidianana ireny?
PRN : Azo esorina ny Sefo Fokontany fa ilay Solontenam-panjakana nanendry azy ihany no manolo azy fa mila fanambarana ny antony mazava. Rehefa hanolo azy dia manaraka ny dingana rehetra voalaza etsy ambony. Miverimberina amin’ny fanambaran’ny Fitondram-panjakana izay mijoro ankehitriny fa Governemanta mampanaja lalàna no mijoro eto Madagasikara. Aoka tsy hakany amin’ny mpanohitra sy ny mpikirakira tambazotran-tserasera ihany fa mihazo ny olompirenena rehetra, indrindra ny mpitondra io fampanajana sy fanajana ny lalàna io.
Ny tany tan-dalàna dia mijoro amin’ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana, dia ireo fahefana telo izany, ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna, mpitsara. Tena misaraka tokoa ve ireo fahefana telo ireo eto Madagasikara? Ny tany tan-dalàna koa dia milaza fa eo ambanin’ny lalàna ireo mpitondra rehetra, any ifotony sy amin’ireo isan’ambaratongany ary isan-karazany ka hatrany amin’ny faratampony, eny, hatramin’ireo mpanendry Sefo Fokontany. Ny dingana arahina ho amin’ny fanoloana Sefo Fokontany sy ny Lefiny, ary ny fanendrena azy ireny dia mila manaraka ny lalàna velona voalaza etsy ambony. Olom-boafidy nolaniana tamin’ny fifidianana tamin’ny alalan’ny fivoriambem-pokonolona no tendrena amin’izany, na ho Sefo na ho Sefo Fonkotany Lefitra mba ho tan-dalàna araka izay dradradradraina etsy sy eroa tokoa.
TSF : Ahoana ny hevitry ny KMF/CNOE mahakasika ny disadisa sesy lany amin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’ireo Ben’ny tanàna sasany kanefa mbola miandrandra ny valim-pitsarana any amin’ny Filankevi-panjakana?
PRM : Vokatry ny fitavozavozan’ny Filankevi-panjakana ireo endrim-panehoankevitra miaro fitakiana amin’ny Kaominina vitsy mbola miandry ny valim-pitsarana. Ny olompirenena manaraka lalàna ka nihevitra fa misy tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana hany ka nalefany any amin’ny Filankevi-panjakanany raharaha. Ireto farany anefa miasa mangina any, tsy misy mangirana amin’ny fampitam-baovao na dia mba manambara fotsiny aza fa efa anatin’ny fikirakirana ny ho valin’ny fitoriana izy ireo. Ny eo amin’ny Fitondram-panjakana anefa etsy andaniny mametraka amin’ny fomba ofisialy ireo lany teo amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Vokany, maneho ny heviny ny mpifidy. Manjavozavo koa ny lalàna amin’ny fetra farany ivoahan’izany fampiakarana ny raharaha amin’ny Filankevi-panjakana izany sy ny valin’ny fitoriana. Etsy andaniny koa azo heverina fa antony mampahazo vahana io mody fitavozavozana io izay filalaovana ity lalàna manjavozavo ity.
Haja Nirina, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisan’ny KMF/CNOE