Inona marina ny zava-misy?
Ry mpitondra Fanjakana, mahasoa anareo sy ny firenena ny famakiana batsilana ny zavamisy marina, mba tsy ho voarebirebin’ny vaovao diso ianareo sy ny olompirenena. Misy anarana menaka voatonotonona sy fandorana azy miely eny amin’ny tambazotran-tserasera sy ny fampielezam-baovao. Azonareo lavina sa ekenareo ve ireny vaovao ireny? Inona marina no nahatonga ireo fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo? Feno ahiahy sy tebiteby lalina ny Malagasy na manotrona fety aman-danonana na miantsena izay ho sakafony andavanandro. Mitaky vaovao tena marina sy ofisialy izay dradradrainareo ny olompirenena sy ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazna olompirenena.
Nilaza koa ny mpiasan’ny JIRAMA fa mangataka fihaonana amin’ny Filohan’ny Repoblika. Ahoana ny tohiny? Ny fifampiresahana hatrany no mahavaha ny olana mba hialana amin’ny fikatsoan’ny raharaha. Manantena ny fikambanana Andriamatoa Filoha fa hampita amin’izy ireo ny hetahetan’ny olompirenena ihany koa ianao, tahaka ny fahatapahan-jiro sy rano, tohin’ireo voapanga ho nanodina vola, “qualité de service” amin’ny dion’ny rano, tanjaky ny herinaratra, fampiandrasana lavareny ireo mpandoa vola.
Voalaza koa fa ny fahatapahan’ny herinaratra no mahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Zo fototra ny vaovao marina, fototry ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny firenena. Mihatra aman’aina izy ity ka mitaky vaovao ofisialy ara-potoana ny Fikambanana.
Antananarivo, faha-8 Jolay 2025
Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olompirenena