Mangetaheta tena fanavaozana sy fandraisana anjara mivantana sy tsy misy fanilihana amin’ny fikaonandoha ny vahoaka Malagasy izay miady mafy anaty fahasahiranana ka manantena fihavaozana. Anisan’ny tanjona ny tsy hiverenan’ny krizy intsony.
Manjavozavo amin’ny olompirenena ny zotra sy ny votoatin’ny fikaonandoha. Mitaky mangarahara ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, anisan’izany ireto teboka telo lehibe hifanakalozan-kevitra mba hanatsarana ny rafitra izay efa niteraka olana sy nanimba olona teto amintsika.
Voalohany, ahoana ny fomba itondrana ny adihevitra mahakasika ny endri-panjakana na “forme de l’Etat” sy ny fahefan’ny Filohan’ny Repoblika manoloana ireo teboka 12 napetraky ny FFKM? Marihina fa ireo endri-panjakana sy ny fahefan’ny Filohan’ny Repoblika ireo dia tsy nasiana fikitihana mihitsy hatramin’ny lalampanorenan’ny Repoblika voalohany izay heverina ho isan’ny mametraka olana.
Faharoa, ahoana ny masontsivana hisafidianana ireo mpandray anjara amin’ny fikaonandoha isan’ambaratongany (Fokontany, Kaominina, Distrika, Faritra, Nasionaly)?
Fahatelo, hodinihina amin’ity fikaonandoha isan’ambaratongany avy any ifotony izay mijidina tarihin’ny FFKM ity ve ny fikaonandoha marindrano isan-tsehatra teo amin’ny Ministera sy ny Andrimpanjakana ? Raha tafiditra dia inona no ho lanjany eo anatrehan’ny fikaonandohampirenena avy any ifotony mihazo ny nasionaly? Inona no tohin’ilay fakankevitra notanterahin’ny Fiadidian’ny Repoblikan’ny Fanavaozana momban’ny fifidianana?
Fanavaozana
Izao atrehintsika izao ve no atao hoe: “Fanavaozana”? Mahatsikaritra ny fikambanana fa manomboka miverina ny fanondranana antsokosoko ny harempirenena sy ny kiantranoantrano ary ny fanindrahindrana olona izay efa hita ny voka-dratsiny. Manampy ireo ihany koa ny fandatsahan’aina amin’ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana amin’ny faritra maro.
Ireo famaliana ny hetahetam-pampandrosoana dia heverina fa efa zon’ny olompirenena feno sy adidy tsy maintsy hataon’ny mpitondra fanjakana saingy lasa zary endrika fisehosehoana ireny.
Aoka hanatanteraka ny fampanantenana sy hitazona ny teny nomeny ny mpitondra!
Natao teto Antananarivo, ny 22 Oktobra 2026
Ny Birao Federalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena
Accueil Communiqués MIANDRANDRA FIKAONANDOHAM-PIRENENA TENA IZY, MANGARAHARA SY TSY MANAVAKA NY OLOMPIRENENA...




