AIZA HO AIZA NY FAMPIHARANA NY LALANA?

0
884

Araky ny andininy faha-55 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 izay mamaritra ny atao hoe fampielezan-kevitra, manoloana ireto endrika fampielezan-kevitra voalazan’ny andininy faha-92 amin’io lalàna fehizoro io izay efa hita ireto : fivoriana am-pahibemaso (réunions publiques), mpanotrona (cortèges), famoriam-bahoaka (rassemblements), asa aman-draharaha rehetra momba ny dokam-barotra amin’ny fampitam-baovao amin’ny haino aman-jery an-tsoratra ary elektronika, ary koa ny asa aman-draharaha rehetra hafa mikendry amin’ny fitondrana ny mpifidy hanohana sy hifidy mpilatsa-kofidiana iray hifaninana amin’ny fifidianana, dia mahatsapa ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena fa voahitsakitsaka tanteraka io lalàna fehizoro io.

Mampanontany tena ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ihany koa ny fanajàna ny andininy faha-39 ny Lalampanorenana sy ny andininy faha-60 ka hatramin’ny faha-63 ny lalàna fehizoro 2018-008 mikasika ny tsy fiandanian’ireo fitondran-draharaham-panjakana (administration).

Noho izany, ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia mitaky ny fahatongavan-tsain’izay rehetra voakasika amin’izany.

Manainga ny CENI ihany koa handray ny andraikiny araky ny andinin-dalàna faha-109 ao amin’ny lalàna fehizoro  2018-008 sy ny andinin-dalàna faha-49 ny lalàna 2015-020 izay ahafahany mampitsahatra ny fandikan-dalàna sy manasazy ireo mpandika lalàna.

Mba ho fisorohana ny fanararaotam-pahefana amin’ny fampielezan-kevitra dia takiana ny fanamafisana ny fanapahan-kevitra (mesure d’accompagnement) noraisina mikasika ny fanovàna ho « plaque rouge » ireo fiaram-panjakana mba hisorohana ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana ireo amin’izany.

Momba ity plaque rouge ity ihany, dia manainga ny fitondran-draharaham-panjakana mba hanamafy ny fanamarinana ireny fiara ireny satria dia misy fiaran’olon-tsotra ataony plaque rouge mba tsy hisavàna azy eny an-dalana.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici