Mandray anjara amin’ny fambolen-kazo mba ho an’ny taranaka ho avy ihany koa ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena. Andraikitra amin’ny maha olompirenena izany ary ihany koa fanabeazana hitandroana ny fananana iombonana. “Route fleuries” no notanterahan’ny fikambanana ny volana mars 2021 tao amin’ny kaomina ambanivohitra Ampanotokana distrika Ambohidratrimo. Nahatratra 5 km ny halavan’ny lalana voavoly hazo manamorona ny lalam-pirenena faha 4.