Fanambarana voalohany mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka

0
937

FIJERY ANKAPOBENY

Notanterahina ny Alatsinainy 27 mey 2019 lasa teo ny fandatsaham-bato ho amin’ny fifidianana Solombavambahoaka izay handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Nanamarika ny zotram-pifidianana ny fikasan’ny Fitondràna, tamin’ny alalan’ny famoahana didim-panjakana laharana 2019-790 nivoaka ny 19 aprily 2019, mahakasika ny fanaikana ny mpifidy ho amin’ny fitsapahan-kevi-bahoaka iray volana mahery nialohan’ny fifidianana Solombavambahoaka. Soa ihany, nofoanana izany didy izany taorian’ny «Avis» navoakan’ny HCC.
Nilamina loatra ny zotram-pifidianana raha ny fizotry ny andro fandatsaham-bato no jerena. Ambany dia ambany kosa ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy raha oharina amin’ny fifidianana Solombavamabahoaka teo aloha. Na izany na tsy izany dia nisy ny tsy fanajàna ny lalàna ary dia mbola niaina tao anatin’ny olana andavandandro tahaka ny delestazy sy ny tsy fandriam-pahalemana ihany ny toerana sasan-tsasany nandritra ny zotram-pifidianana.

ZOTRAM-PIFIDIANANA

Mialoha ny fifidianana
• Ny fiandanian’ny Fitondràna
Nanasongadina ny zotram-pifidianana ny endrika faneriterena natao tamin’ireo mpiasam-panjakana.
Nisy ny fanovana ireo sefo fokontany nandritra ny zotram-pifidianana nohon’ny antony izay tsy mazava loatra.
Voararan’ny lalàna ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana izay fananana iombonana anefa dia maro ireo kandidà izay nanararaotra ny programam-panjakana toy ny “Fivarotana vary mora” nandritra ny fampielezan-kevitra. Nalaza koa ny fampiasana ilay hoe “Kandidàm-panjakana” ary tsy nafenina izany fa noentina ho fomba nanerena ny mpifidy.
Voatohitohina ny fanajàna ny fahafahana sy ny fahalalahana voafaritry ny Lalampanorenana vokatr’ireo faneriterana samihafa. Nisy ny mpikambana KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena izay mpiasam-panjakana miasa amin’ny tontolon’ny fampianarana izay tsy nanaraka ny baikom-pirehana politika nomena azy, no nahazo fandrahonana hafindra toerana ankehitriny.

• Ny kolikoly
Nahoraka ny fizaram-bola sy fitaovana nandritra ny fampielezan-kevitra ary vitsy ny kandidà no nanolotra ny programan’asany nandresen-dahatra ny mpifidy nandritra izany.

Manditra ny fifidianana
Ankasitrahana tanteraka ireo mpikambana KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena sy ireo olompirenena tsotra nanatevin-daharana ny asa fanaraha-maso natao nandritra ny androm-pifidianana.
Isaorana ireo mpiara-miombon’antoka izay nanohana ny asa fanentanana sy fanaraha-maso izay natao nandritra izao zotram-pifidianana izao. (Centre Européen d’appui électoral – Organisation Développement et Paix, Organisation Internationale de la Francophonie), ary indrindra ireo mpikambana izay niahy tena tamin’ny fanatanterahanany iraka fototry ny fikambanana.

Nalalaka amin’ny ankapobeny ny fanaraha-maso izay natao, niisa 1480 ny mpanara-maso izay efa nahazoam-bokatra tamin’ny alalan’ny fikirakirana ny teknolojia avy amin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena nanerana ireo Distrika niisa 106. Tsy vitsy koa ireo olompirenena izay tsy mpikambana ato amin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena fa nangataka ny hanara-maso tamin’ny anaran’ny fikambanana ary dia nomena fiofanana mifanandrify amin’izany izy ireo.

15 % isan-jaton’ny birao fandatsaham-bato nahazoana vokatra tamin’ny fanaraha-maso no tara fisokafana ary tamin’ny 9 ora sy sasany kosa ny ora tara indrindra tamin’izany. Anisan’ny anton’izany fahataran’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato izany ny maha ririnina ny andro satria dia mbola maizina tany amin’ireo toerana samihafa amin’ny 6 ora maraina ka dia voatery niandry mazavazava kokoa izy ireo.

• Ny lisi-pifidianana
Datin’andro telo samihafa namaranana ny lisi-pifidianana no hitan’ireo mpanara-maso nandritra ny asa nataony.
Maro ny tsy fahatomombanana hita mikasika izany:
– Maro ny mpifidy izay efa nifidy tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika no tsy hita tao anaty lisi-pifidianana;
– Nisy ny mpifidy izay lasa any anaty lisi-pifidianana amina fokontany hafa ary nisy kosa ny tsy hita mihitsy;
– Nahatsiaro tena ho navezivezy ireo mpifidy sasan-satsasany izay tsy nahita ny anarany tao anaty lisi-pifidianana ka maro no nisafidy ny hody avy hatrany.
• Ny fandatsaham-bato sy ny fifehezana ny andraikitra ao amin’ny birao fandatsaham-bato :
– Maro ny olona izay tsy nampiseho karapanondro no navela hifidy;
– Hita koa ny olona izay tsy tao amin’ny lisi-pifidianana no navela hifidy;
– Tsikaritra fa mbola maro ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato no tsy mahafehy ny andraikiny;
– Nisy ny delegen’ny kandidà izay tsy navela niditra tao amin’ny birao fandatsaham-bato satria tsy nanao fangatahana 5 andro mialohan’ny androm-pifidianana.

• Ny taha-pahavitrihana
Tsy nahomby ny fanabeazana ara-pifidianana na dia efa niezaka aza ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena, sy ireo rehetra nisehatra tamin’izany, tamin’ny fanentanana ny mpifidy. Tsapa fa sorena amin’ny kajikajy politika samihafa ny mpifidy. Anisan’ny mahatonga izany koa tsy fahatokisana ireo mpiantsehatra ara-politika. Mbola maro araka izany no mila dinihina, sainina sy hifampidinihina ahafahana manarina ireo lesoka.

• Fitaovana :
– Maro ny birao fandatsaham-bato no tsy nisy radio;
– Nisy birao fandatsaham-bato tsy nahitana « Fiche des irrégularités »;
– Maro ireo birao fandatsaham-bato no tsy ampy fampitaovana amin’ny jiro na andrenivohitra na ambanivohitra;
– Amin’ny ankapobeny, nanatsara kokoa ny mangarahara ny fandraisana fepetra mikasika ny isoloir tamin’ireo birao sasan-tsasany voatsidika tamin’ny fanaraha-maso. Nahomby ny fepetra izay noarisina mikasika ny “Isoloir” mba hametrahana ny mangarahara.
• SRMV
Maro kokoa, raha nampitaina tamin’ny fanaraha-maso izay nataon’ny KMF/CNOE–Fanabeazana Olompirenena rehetra, ny sakantsakana izay nihatra tamin’ireo mpanara-maso. Isaorana ny CENI Foibe tamin’ny fepetra noraisiny namahana izany olana izany tamin’ny ampahany ho an’ireo nisedra olana.
Nisy ireo mpanara-maso sy ireo délégué no nasaina niandry tany ivelany ary tsy navela niditra nanaraka izany.
Hatramin’izay dia tsy nisy olàna ny fahazoana ny vokatra avy amin’ireo SRMV fa tamin’ity kosa dia nihoatra ny 40 % an’ireo SRMV izay narahina no tsy nahazoana vokatra.
Sambany tamin’ity fifidianana ity no nisy olona nisandoka ho mpanara-mason’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Efa nandraisana fanapahan-kevitra ny momba izany.
Mankasitraka ny CENI tamin’ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo ratsa-mangaikany izay tsy nanaraka ny voalazan’ny lalàna ary manantena ny fanohizana izany ezaka izany.

FITAKIANA HO FANATSARANA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA:
Mialohan’ny fifidianana
– Fampiharana ny lalàna manankery;
– Fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana ankapobeny sy ny mifehy ny fampielezan-kevitra;
– Fandinihina ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato;
– Fanamafisana amin’ny fomba mati-paika avy amin’ny hery velona rehetra amin’ny fanabeazana ara-pifidianana ny olompirenena
– Fanajàna ny tsy fiandanian’ny mpiasam-panjakana ;
– Fijerena manokana ny lisi-pifidianana;

Mandritra ny androm-pifidianana
– Fampitaovana araka ny tokony ho izy ny biraom-pifidianana.
– Fanentanana ny olompirenena ny amin’ny maha zava-dehibe ny mpanisa vato na “Srutateur”;
– Fijerena ny ora fisokafan’ny birao fandatsaham-bato;
– Fanamafisana ny fiofanan’ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato;
Aorian’ny androm-pifidianana
– Fahafahana manara-maso malalaka ny SRMV
– Fanaovana peta-drindrina ny voka-pifidianana eny amin’ny biraom-pifidianana sy ny biraom-pokontany.
– Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fepetra izahay KMF/CNOE–Fanabeazana Olompienena mikasika ireo mpiasam-bahoaka nandika ny lalàna nandritra ny zotram-pifidianana.
– Miantso ireo mpanao politika rehetra hifarimbona ny amin’ny fanabeazana sy fanentanana ny Olompirenena mikasika ny fifidianana ary indrindra ny fanavaozana ny fanaovana politika.
– Araky ny dinidinika rehetra niarahana tamin’ireo mpiantsehatra maro dia takiana ny fampiharana ny lalàna velona.
Farany, ho fanatsarana hatrany ny zotram-pifidianana dia entanina isika olompirenena rehetra hahatsapa-tena ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanaraha-maso ny fifidianana satria dia tsapa fa ny fisian’ny mpanara-maso dia antoka voalohany amin’ny fangaraharan’ny fifidianana.
Ny KMF/CNOE- Fanabeazana Olompirenena dia vonona ny hifanampy amin’izay vonona hiaraka aminy amin’izany adidy masina izany.

Antananarivo, faha-31 mey 2019
Ny Birao Nasionaly KMF/CNOE
Fanabeazana Olompirenena

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici