FIFIDIANANA KAOMINALY : Niasa mangina ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena

0
80

“Nanentana ny olompirenena tamin’ny Faritra maro manerana ny Nosy mba handray anjara amin’ ny fifidianana ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena.” Io no fanambaran’ny Filohany, Robert Namearison, tamin’ny tafa fohy tamin’ireo mpanao gazety, ny alatsinainy 7 oktobra teo. Nisafidy niasa mangina ny fikambanana.
Nilaza ity lehiben’ny fikambanana ity, teny amin’ny foiben’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena Antanimena fa diso miabo ny fahefan’ny Mpanapankevitra, amin’ny sehatry ny fifidianana. Azo antoka, hoy izy, fa tsy hanaratsy tena ireo manampahefana sy ny antokony ka ahiana ho lasa manilika ny hafa izany. Manamafy hatrany ireo fanambarany tany aloha ny KMF/CNOE-Fanabeazana fa tsy azo idovirana ny fanatsarana ny rafi-pifidianana na ny « système électoral».
Mila fahaleovantena tanteraka ny CENI, torak’izany koa ny fitsinjaram-pahefana. Nanohy ny fampitam-baovao ny Filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana fa tsy hisy fitsinjaram-pahefana vanona fa heverina ho fivangongom-pahefana no hitranga eo; raha izao adisisiky ny antoko politikan’ny mpanohitra na ny mpomba ny fitondrana mba handrombaka ireo renivohi-paritany izao. Ben’ny Tanana miaraka amin’ny vahoaka no ilain’ny firenena fa tsy miaraka amin’ny fitondrana, raha ny fanambarana hatrany, indrindra amin’ny sehatr’io fitsinjaram-pahefana io. Fifidianana manakaiky vahoaka tokoa mantsy ity fifidianana ho Ben’ny Tanana sy ny mpanolontsaina ity.
Seraseran’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena