« Kaominina miaina, fari-piainana mihatsara ». KMF/CNOE et Développement et Paix

0
583

Ao anatin’ny tetik’asa hiarahan’ny « KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena » sy ny fikambanana « Développement et Paix » miasa, « Kaominina miaina, fari-piainana mihatsara » dia nahavita ny fitsidihana isan-tokatrano sy ny famoriana ireo olompirenena lahy sy vavy teny anivon’ny fokontany. Nitohy foana izany fanentenana ny Olompirenena handray andraikitra eo anivon’ny tanana misy azy. Natao tao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny asa rehetra.

Ny tanjona dia ny hisian’ny fihaonana marolafy izay andraisan’ny olompirenena lahy sy vavy, ny olomboafidy ary ny tompon’andraikitra samihafa ao amin’ny kaominina anjara mba hisian’ny serasera sy ny fifanakalozana; mba hiainga hatrany ifotony any amin’ny olompirenena ny fampandrosoana ny tanàna.

tetik’asa: Fitondrana tsara tantana mampandray anjara mavitrika ny Olompirenena amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy azy

Kaominina hiasana: 14

Dans le cadre du projet mis en œuvre par “KMF/CNOE-Education des citoyens” en partenariat avec le “Développement et Paix”, les membres ont pu faire, en 2020, des sensibilisations en porte à porte. Des réunions des citoyens dans les Fokontany ont également eu lieu. Ces activités ont été faites tout en respectant les mesures sanitaires mis en place dans ces communes et districts.

Le but du projet est de mettre en place un cadre de concertation, « des réunions Multi-acteurs », où les citoyens, les élus locaux et divers responsables locaux puissent se communiquer, se parler et s’échanger pour le développement de leur commune afin que la population locale soit l’initiatrice d’un développement local.

Projet : participation citoyenne dans le développement de la commune

Communes concernées par le projet : 14

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici