KMF/CNOE ANTSIRANANA : Niara-namboly hazo tamin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana ny Fikambanana

0
54

Tamin’ny 8 febroary lasa teo, nanatanteraka fambolena ala honko, tany amin’ny Kaominina Mangoko sy ny 12 Febroary, tany amin’ny amin’ny Kaominina Ambolobozy ny Fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Ny andron’ny mpifankatia, ny tapaky ny volana Febroary hatrany, nitohy hatrany Anivorano izany voly hazo izany. Araka ny fampitam-baovaon’ny mpikambana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, avy any Antsiranana, niaraha-nisalahy tamin’ny Distrika sy ny Faritra Diana ary niandahy niambavy niaraka tamin’ny Fiangonana, tamin’ny tetikasa « Diocèse vert » izany fambolena hazo izany. Anisan’ny fandraisana anjaran’ny fikambanana amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fampandrosoana lovain-jafy eto amin’ny firenena izao fambolen-kazo sy fanabeazana ara-tontolo iainana izao.
Ny serasera

Sary Fanehoana