MIZOTRA MANKAIZA NY RAHARAHAM-PIRENENA?

0
167

Raha ny zavamisy amin’izao fotoana izao, manoloana ireo lanonam-panjakana etsy sy eroa, dia manamarika ny Fikambanana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena fa manararaotra amin’ny lafiny maro ny Fitondrana ankehitriny :
Voalohany, mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika. Raha zohina ny zavamisy, efa fampielezankevitra mialohan’ny fotoana no misy amin’izao.
Faharoa, mampametram-panontaniana ny fandaniana mihoapampana amin’ireny lanonam-panjakana ireny, raha mihoatra amin’ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny. Tsy mitondra any amin’ny fitoniana izao endrika fanararaotana izao, ary voahitsakitsaka tanteraka ny demokrasia.
Noho izany ny KMF/CNOE dia mitaky ny fampiharana mitovy na fanafoanana ny fanambarana, ny 31 martsa lasa, izay mandrara ireo hetsika politika atao an-kalamanjana ka miverina amin’ny fampiharana ny lalampanorenana sy ny lalana mikasika ny famorimbahoaka.
(Lah. 05/KMF-CNOE/ Febroary/ Fanambarana)

Antananarivo, faha-17 Avrily 2023
Ny Birao Nasionaly KMF/CNOE – Fanabeazana olompirenena.