SOLOMBAVAMBAHOAKA SY TAMBERIN’ANDRAIKITRA

0
1401

SOLOMBAVAMBAHOAKA SY TAMBERIN’ANDRAIKITRA

Ny tamberinandraikitra dia fitaovana anakiray ampiasaina mba hanamafisana ny fifampitokisan’ny Solombavambahoaka sy ny vahoaka izay entina @ alalan’ny serasera maharitra.
Ireo fomba na fitaovana ahafahan’ireo Solombavambahoaka manatanteraka izany dia amin’ny alalan’ny fitsidihana isam-paritra, fivoriam-pokonolona, fametrahana birao manokana ahafahan’ny olompirenena miserasera tsy tapaka amin’ireo Solombavambahoaka, fanaovana fandaharana amin’ny radio ifampiresahana amin’ny vahoaka.
Anisan’ny andraikitry ny vahoaka kosa hahombiazan’ny tamberin’andraikitra ny mandray anjara amin’ireo sehatra fifanakalozan-kevitra, maneho ireo hetaheta sy laharam-pahamehana ary mandray ireo tatitra avy amin’ireo Solombavambahoaka, mifampidinika sy miady hevitra ary mifanakalo hevitra amin’ireo Solombavambahoaka, manatrika ireo fivoriam-pokonolona, manantona ny birao manokan’ireo Solombavambahoaka, manaraka ireo fandaharana amin’ny haino aman-jery.

 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici