VERY HASINA NY FIFIDIANANA ETO MADAGASIKARA

0
346

644. Io no isan’ny mpanara-maso solontenan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nipariaka nanerana ny Faritra 23, nandritra ny androm-pifidianana Filoham-pirenena, ny 16 novambra teo. Tamin’ny birao fandatsaham-bato 1 376, ivon-toerana fandatsaham-bato 738, no nanara-maso izy ireo izay nisandrahaka tamina distrika 69 ka ny 50 no nahazotohana ara-bola avy amin’ny OIF. Mpanara-maso iray voaendaka, ny marainan’ny fifidianana raha iny izy nihazo ny toerana nahavoatendry azy. Ankoatra ireo mpikambana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nahazo tohana ara-bola, niara-niasa tamin’ny fikambanana koa ny ONG SOLIKA Groupe, Antananarivo; ny Fikambanana AGIRS, SAVA; ny tanora nanolotena ; ireo Sampana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena tsy nahazo tohana ara-bola ary ireo olontsotra tsara sitrapo manerana ny Nosy nampita vaovao tamin’ny nahim-pony.
Ny fizotran’ny fifidianana amin’ny ankapobeny :
Anisan’ireo toeram-pandatsaham-bato nahitana taha ambany indrindra tamin’izay narahan’ny Fikambanana maso ny 13,64% tamin’ny birao fandatsaham-bato iray teto Antananarivo. Tsiahivina fa ny ambany indrindra tamin’ny fihodinana voalohany ny taona 2018 dia tany amin’ny distrika Antsalova 35,61% ; ary ny fihodinana faharoa kosa tao amin’ny distrika Ikalamavony izay nananika ny 25,37%.
Ny birao fandatsaham-bato nahitana taha ambony indrindra kosa izay 100%. Tamin’izao fifIdianana izao dia tany ambanivohitr’i Marolambo. Marihina fa anisan’ny taha ambony indrindra an’ny fihodinana voalohany, ny taona 2018 ny, tany Soavinandriana Itasy 67,67%.
Fikarakarana sy fitantanan’ny CENI
Tsy ampy sady tsy tsara kalitao ny fampiofanana an’ireo mpikambana biraom-pifidianana ka nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato izany. Vokatr’izany ny fahataran’ny fisokafana sy fanidiana ny biraom-pifidianana sasany. Ny fizarana ireo fitaovana hampiasaina no nandany fotoana kokoa noho ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Tsy nitovy ny fitaovana tonga tamin’ny birao fandatsaham-bato toa ny « lampe, piles, machine calculatrice, fiche de rajout. » Tsikaritra fa nisy mpifidy mbola nitondra akanjo na “tee-shirt” ana kandida nefa navela nifidy. Tsy nahavaly ny filàna vaovaon’ny mpifidy ny serasera nataon’ny CENI. Andro iray mialoha, maro ny olompirenena mbola nametra-panontaniana hoe « hisy ve sa tsy hisy ny fifidianana rahampitso 16 Novambra ? Paikady ara-pifandraisana ve no olana sa vola ?
Nisy valopy lehibe mirakitra ny vokatry ny latsa-bato avy tany amin’ny fokontany vitsivitsy tsy nihidy tonga teo amin’ny SRMV. Tsy vitsy ireo koa velon-tairana fa tsy naharay ny tambikaramany. Mbola nisy tovana lisitra ny 15 novambra, tsy voahaja intsony ny «principe de gel de la liste». Mbola niavosa ny karatry ny mpifidy tsy voazara nandritra ny andron’ny fifidianana. Misy mpanara-maso tsy navela nifidy na dia nanana taratasy fanendrena aza, teo koa ireo mpanara-maso tsy navela niditra tao anaty birao fandatsaham-bato na dia ara-dalàna aza.

Kalitaon’ny fandraisana anjara

Voasarika hifidy kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy nandatsa-bato ary ny 35 taona mihoatra no navitrika. Arakaraky ny mahalavitra ny renivohitra no mampiakatra ny taham-pahavitrihana, nefa mampitombo ny herin’ny sefo Fokonty (pasipaoro, bokin’omby) satria tsy vitsy anefa ny lehiben’ny Fokontany mandray baiko avy amin’ny mpanao politika na ny mpitondra fanjakana. Tsikaritra koa anefa fa mihatery ny fisitrahana loharanom-baovao eny ambanivohitra eny. Miara-tonga eo amin’ny biraom-pandatsaham-bato ny mpifidy eny ambanivohitra ary antsoina tsirairay hiditra hifidy ao. Mandeha ny feo fa hisy ny fizarana vola na fampanantenana ka hahazo tombontsoa manokana rehefa lany ny kandida iray. Nisy fanafihan-dahalo niampy fanaovana fakana takalon’aina na « kidnapping » tamin’ny tanàna vitsivitsy ny 15 sy 16 novambra teo. Mbola nisy olompirenena tsy mahavoafehy ny zotram-pifidianana
Fehiny
Ity no fifididianana nahitana taha fandraisan’anjara ambany indrindra : 53,23% ny fihodinanan voalohany ny 7 Novambra 2018 ary 48,09% fihodinana faharoa.
Amin’ny toa izao dia mihevitra ny fikambanana fa làlana roa no azo hivoahana hananan’ny fanjakana hijoro eo « légitimité » :
 Fifampidinihan’ny herivelona eto amin’ny firenena mba hiara-hikaondoha amin’izay hitondrana ny firenena hialàna amin’ny korontana ;
 Fampiasana herisetra. Raha azo atao anefa tsy mahasoa ny Malagasy ity farany.
AVY AMIN’NY FIKAMBANANA, HO AN’NY ANDANINY SY NY ANKILANY MPIFANANDRINA POLITIKA :
o AOKA IZAY NY FANAOVANA SORONA NY VAHOAKA SY NY FIRENENA.
o AJANONY TSY MISY HATAKANDRO NY FIFANDRANITANA SY NY RAMATAHORA AMIN’NY ENDRINY REHETRA.
o AOKA HAJAINA NY ZO MANEHO HEVITRA ANKALALAHANA HO AN’NY REHETRA
o FIARAHA-MIDINIKA SY FITADIAVANA MARIMARITRA IRAISANA IHANY NO AHAFAHAN’NY FIRENENA MANDROSO AO ANATY FITONIANA
o MILA HATSARAINA NY LALANA MOMBA NY FIFIDIANANA SY IREO “ORDONNANCES des années 60”
 CENI, takiana hanao fanadihadiana ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra niseho mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana fa fahefana nomen’ny lalàna azy izany. Miandry ny fanasaziana ireo rehetra nandika lalàna nandritra iny fifidianana iny ny Fikambanana.
 Miandry ny tatitry ny fampiasam-bola nataon’ireo kandida nandritra ity fifidianana ity
 Filohan’ny Malagasy rehetra izay lany eo fa tsy Filohan’izay nifidy azy ka ny Malagasy rehetra no mila misitraka ny tombontsoa fa tsy izay manana ny karatry ny antoko sy ny mpiara-dia aminy ihany.

Natao teto, Antananarivo, ny 21 Novambra 2023
Ny Birao Nasionaly