COMMUNIQUE : La manifestation se tend vers où?

0
3

FANAMBARANA
MIZOTRA MANKAIZA NY TOLONA?
KMF/CNOE/Fanamb 2025/ Lah-03/30 SEP
Ambaran’ireo eny ankianja matetika fa ny rafitra na ny “ système” no tena olana. Ny rafitra rehetra mihitsy no mila hatsaraina, raha ny efa nodradradrain’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena hatrizay.
Avelao hanatanteraka fanehoan-kevitra ankalalahana ny olompirenena. Manao antso avo ny fikambanana fa ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana hatrany no lalana makany amin’ny fitoniana. Melohin’ny fikambanana ny herisetra amin’ny endriny rehetra, ny fandratrana, ary indrindra ny fandatsahan’aina.
Natao teto Antananarivo, ny 30 Septambra 2025
Ny Birao Nasional