KMF/CNOE-FANABEAZANA OLOMPIRENENA : “Avelao ho eny ankiajan’ny 13 mey ny mpanao hetsika”
«Miondrika amim-panajana eo anatrehan’ny maty, mankahery ny fianakaviany, mirary fahasalamana ho an’ny naratra ny fikambanana», io no teboka fanombohana ny fanambarana mialohan’ny fanamelohana ny karazana herisetra mitranga eto Madagasikara amin’izao toe-draharaha izao, izay nambaran’ny Filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison, notronin’ny Filoha lefitra roa manoloana ny fanontanian’ny mpanao gazety teo amin’ny Bucas Antanimena, ny zoma 10 Oktobra teo. Manameloka ny fampiasana hery na amin’ny olon-tsotra na amin’ny mpanao gazety ny fikambanana. Na inona na inona endrika herisetra tahaka ny toraka baomba mandatsa-dranomaso, teny ratsy, tora-bato. Mitodika amin’ny mpanapakevitra ihany koa ity Filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ity mba hamela malalaka ny mpitaky zo fototra an-dalambe hanehoan’izy ireo hevitra ao amin’ny kianjan’ny demokrasia, izay notokanan’ny Filoha fony izy Ben’ny tanàna an’Antananarivo, eny na hatramin’ny kianjan’ny 13mai 1972 aza fa andrasana fotsiny izy ireo tsy hihoapefy.
Mbola sarotra ny fifampiresahana raha tsy miditra ao amin’ny toerana hanehoany hevitra ireo mpanao fihetsiketsehana ka ao vao hita eo ny mpitarilka azy ireo. Tsy nihazo ny fifampiresahana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena fa tsy nahazo fanasana sady ilay mbola hampihavanina no mitarika ny fampihavanana. Mitodika amin’ny Fitsarana Avon’ny Lalam-panorenana ny fikambanana mba hamaly mazava ihany koa raha tena zo fototra ireo takian’ny Malagasy midina andalambe ireo fa izany no ilana ny endrika fitsarana eto Madagasikara.



