FANAMBARANA : FIFANAMPIANA NY FANAVAOZANA NY SEHATRY NY FIFIDIANANA
Aoka tsy hisy hitompo teny fantatra hisalotra ny anarana fiarahamonim-pirenena Malagasy fa sahia manonona ny vondronareo mpiteny. Tsy mahasolo tena ny firaisamonim-pirenena Malagasy koa ireo miantsehatra amin’ny alalan’ny fakan-kevitra sy ny fikaonan-dohan’ny olompirenena ho amin’ny fanavaozana. Etsy andaniny, tsy ny fiarahamonim-pirenena rehetra ihany koa no afaka miditra ka mandrafitra ny birao maharitry ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana na ny CENI fa ireo mpanaramaso fifidianana sy mpanabe ara-pifidianana, ary heverina fa nahavita tatitra.
Natao hifanampy sy hifanolo-tanana amin’ny CENI ho amin’ny fanabeazana, fanarahamaso sy ho amin’ny fifidianana isika fiaraha-monimpirenena, indrindra amin’ny fikarakarana sy ny zotram-pifidianana. Resy lahatra ny fikambanana fa ilain’ny firenena ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana fa misy teboka maro mila fanatsarana kosa. Tsy mitombina ny filazana fa tsy manana asa ho atao ny CENI. Tsy ny andro fandatsaham-bato ihany no zotram-pifidianana. Tsy azo idovirana ny ho fanatsarana na ny ho fanavaozana ny lisi-pifidianana. Nambara Ihany koa fa tsy mbola rava ny lalampanorenana izay mitaky ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CENI. Tsiahivina fa ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia mihevitra hatrany fa tsy anaty tetezamita ny firenena fa anaty « ordre constitutionnel », araka ny fanamban’ny Fitsarana avon’ny lalampanorenana.
Mitodika amin’ny Governemanta hijoro ny fikambanana, ankoatra ny fampandehan-draharaha sy ny famaliana ny filana maika, miandry anareo ny fandavorariana ny fikaonandohan’ny olompirenena isan’ambaratongany. Mila fanatsarana ilay tondrozotra natolotra farany teo raha tsy ilaza ny afatsy ny fanavaozana ny lalam-pifidianana na « refonte » amin’ny vanimpotoanan’ny rotsak’orana.
Natao teto, Antananarivo, ny 18 Marsa 2026
Ny Birao Nasionaly



