FANAMBARANA : FANAVAOZANA IARAHA-MANANA
KMF/CNOE/Fanamb 2026/ Lah-02/28 marsa
Ho amin’ny fakan-kevitra sy ny fikaonan-dohan’ny olompirenena ho fanavaozana, ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia miandrandra fampandraisana andraikitra ny ankolafin-kery rehetra ka manantena fa tsy hisy fanilihina ho amin’ny dingana manaraka. Antenaina fa mitohy ny ezaka ary miandrandra fampitam-baovao ny olompirenena mahakasika dingana vita sy ny miandry. Vonona hifanolo-tanana hatrany ny fikambanana amin’ny sehatry ny fikaonan-dohan’ny olompirenena .
Ny fikambanana dia mankasitraka ny fangaraharahan’ny fitsarana momba ny kaonty araka ny tatitra ny taona 2025 teny Anosy, tamin’ny 19 marsa teo, momban’ireo vola mitentina 3 811 miliara Ar very tsy tafiditra tao amin’ ny kitapombolam-panjakana. Nanambara ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’I Madagasikara fa hiroso amin’ny fanaovana fanadihadiana lalina sy fanenjehana izany fandikan-dalàna izany.
Efa faheno nodradradradraina hatrizay ny fisokafan’ny fanadihadiana an’ny raharaha maro tahaka ny «bonbon sucette», ny «écran plat», ny fanondranana volamena antsokosoko tratra ; fa samy tsy misy fanambarana ny fiafarany sy ny vokatry ny fanadihadiana. Ny anongotsongoana ny maty moa tsy handevenam-belona ka miandry fatratra ny tohin’io fandrobana ny harem-pirenena izay nambaran’ny fitsarana momba ny kaonty io ny vahoaka Malagasy.
Natao teto, Antananarivo ny 28 Marsa 2026
Ny Birao Nasionaly



