𝐑𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐣𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐥à𝐧𝐚, 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐠𝐚?
Ny mahery no mahazo vahana.
Manao izay tiany atao ny manana fahefana.
Ho very ny rariny, ary mihena ny fitokisan’ny vahoaka.
Izany no maha-zava-dehibe ny 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐥à𝐧𝐚.
𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐡𝐨𝐞 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐥à𝐧𝐚?
Ny 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐥à𝐧𝐚 dia rafitra izay ametrahana fa:
✅ ny lalàna no mifehy ny rehetra;
✅ tsy misy olona ambonin’ny lalàna;
✅ ny fahefana dia tsy ampiasaina araka izay tian’ny olona iray, fa araka izay avelan’ny lalàna;
✅ afaka mitaky ny zony ny olom-pirenena rehefa misy tsy rariny;
✅ Na olom-pirenena tsotra, na mpitondra fanjakana, dia samy tokony ho voafehin’ny lalàna avokoa.
✅ Tsy ny sitrapon’olona iray no mibaiko ny fiainam-pirenena, fa ny 𝐋𝐚𝐥à𝐦𝐩𝐚𝐧𝐨𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 sy ny 𝐥𝐚𝐥à𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐫𝐲.
Ny Lalàmpanorenana dia milaza fa mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna, na izy natao hiarovana, na handidy, na hamaizana.
Voalaza koa fa ny mpitondra sy ny entina dia samy voafehin’ny fitsipi-dalàna mitovy, eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana mahaleotena.
𝐎𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨
Alao sary an-tsaina ny lalao baolina iray. (France # espagne)
Raha misy fitsipika mazava, ary ampiharina mitovy amin’ny ekipa rehetra, dia afaka milalao amim-pitokisana ny rehetra.
Fa raha miovaova araka izay tian’ny olona iray ny fitsipika, na ampiharina amin’ny sasany fa tsy amin’ny hafa, dia very ny rariny ary mety hiteraka fifandirana.
Toy izany koa ny fiainam-pirenena.
Rehefa mitovy ny lalàna ampiharina amin’ny rehetra, dia mihamatanjaka ny fitokisana. Rehefa tsy mitovy kosa, dia mihena ny fitokisan’ny olona ny rafitra.
📌 𝐓𝐬𝐚𝐫𝐨𝐯𝐲:
Ny Fanjakana tan-dalàna dia tsy hoe “lalàna ho an’ny vahoaka fotsiny”. Lalàna ho an’ny rehetra izy: ho an’ny vahoaka, ho an’ny mpitondra, ary ho an’ny andrim-panjakana.
💬 𝙕𝙖𝙧𝙖𝙤 𝙚𝙩𝙤 𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖𝙤 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙟𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙣𝙞𝙛𝙖𝙣𝙙𝙞𝙢𝙗𝙮!
Andao hifanakalo hevitra amim-panajana.
#FanjakanaTanDalana #OlomPirenena #Lalana #Rariny #Sivisma #Demokrasia #Madagasikara



