LE CIVISME

0
5

Ndao hazavaina tsotra ary: 𝐍𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐡𝐨𝐞: 𝐬𝐢𝐯𝐢𝐬𝐦𝐚!🇲🇬

Ny sivisma dia fihetsika mampiseho fa 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐧𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲.

Tsy teny fotsiny anefa izy io.
Fa aseho amin’ny fomba fiainana andavanandro.

Ny olona manana sivisma dia:

✅ 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹à𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝘀𝗶𝗽𝗶𝗸𝗮;
✅ 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮, 𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗵𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘇𝗮;
✅ 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮;
✅ 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗶𝗺𝗯𝗮 𝘀𝗲𝗸𝗼𝗹𝘆, 𝗯𝗶𝗿𝗮𝗼𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮, 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮, 𝘁𝘀𝗲𝗻𝗮 𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮;
✅ 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗼𝗸𝗼𝗻𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮.

Ohatra tsotra

Raha misy toerana filaharana eny amin’ny biraom-panjakana, hopitaly, banky na fokontany, dia mampiseho sivisma ny olona manaja filaharana.

Nahoana?

Satria rehefa manaja filaharana isika dia manaja ny zon’ny hafa, manampy amin’ny filaminana, ary mampihena ny fifandirana.

Ohatra hafa koa:

Rehefa tsy manipy fako eny an-dalana isika, tsy manoratra amin’ny rindrin’ny sekoly, tsy manimba paompy, dia manao fihetsika sivika.

📌 𝐓𝐬𝐚𝐫𝐨𝐯𝐲:
Ny sivisma dia tsy resaka misavoan-danitra. Manomboka amin’ny fanajana fitsipika tsotra sy fanajana ny hafa izy.

💬 𝙕𝙖𝙧𝙖𝙤 𝙚𝙩𝙤 𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙝𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙣𝙤𝙧𝙖 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙎𝙞𝙫𝙞𝙨𝙢𝙖.

#FanjakanaTanDalana
#OlomPirenena
#Lalana
#Rariny
#Sivisma
#Demokrasia
#Madagasikara