COMMUNIQUE : Il est temps de refonder tous les systèmes

0
2

FANAMBARANA
FOTOANA IZAO HANAVAOZANA NY RAFITRA REHETRA
Ny tolon’ny “Gen Z” dia hetsika iray nampivondrona ireo hetsika rehetra efa nisy hatramin’izay ka nitakiana ny rariny teto amin’ny firenena ary nahataona ny sokajin’olona maro nanerana ny nosy.
Nampahazo vahana haingana ny hetsika ny tsy fihainoana ireo fitarainana sy ny hetahetam-bahoaka toy ny OSC, syndicat etc. fa aleony nisambotra sy nanagadra izay rehetra sahy miteny sy manoro hevitra (nalaza tamin’izany ny gagazo sy ny fampirohorohoana na harcelement); nihanahazo vahana ny “democrature”; Fanjakana ara-dalàna no nisy fa tsy Fanjakana tan-dalàna ka nampanjaka ny tsy fitokisan’ny olompirenena ireo rafitra mijoro indrindra ireo tanora ; nahazo vahana ny famelomana lakolosy tamin’ny tambazotran-tserasera ; ny fahantrana lalina niainan’ny vahoaka no nanararaotana nampiankinan-doha azy ho amin’ny tombontsoa politika manokana ; ny fifidianana nifanesy tsy nampiseho ny tena safidin’ny olompirenena.
Vokany: fifandimbiasam-pahefana ivelan’ny fifidianana no misy ankehitriny.
Toy ny efa notakiany hatramin’izay, ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia mbola manamafy fa tonga izao ny fotoana hanarenana ny lesoka sy hanatsarana ny rafitra rehetra. Tsy irotorotoana anefa izany fa mitaky fotoana sy fandinihana lalina. Tsy vahaolana ny hanaovana ny fifidianana amin’izao satria io fifidianana io hatrany no nitarika korontana teto amintsika (krizy mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana). Manolo-kevitra ny fikambanana mba hanaovana ny fifidianana aorian’ny fametrahana ny lalampanorenana vaovao na nohatsaraina ka miainga avy any ifotony ny fifidianana.
Mila apetraka haingana ny tondro zotra, ny programa, ny rafitra izay ahitana ireo manam-pahaizana isan-tokony Malagasy eo ambany fifehezan’ny Praiminisitra, hiandraikitra manokana izany fanavaozan-drafitra izany ary miainga avy eny ifotony ny fakan-kevitra (Kaominina, Faritra, nasionaly).
Mila atao haingana ny fitsirihana tsy mitanila ny fitantanana ireo andrim-panjakana sy ministera ary avoaka mangarahara tanteraka ny vokatr’izany ho fantatry ny olompirenena ialana amin’ny fisavorovoroana.
Ireo andrimpanjakana mijoro, aoka samy handray sy hanatanteraka ny andraikiny araka ny voasoratra ao amin’ny lalampanorenana fa tsy miandry baikoina fotsiny ary tsy andairan’ny tsindry.
Manentana antsika olompirenena, izay fototra iaingan’ny fiovana samy mandray andraikitra ka tsy miandrandra olon-tokana na sokajin’olona hitondra ny fiovana andrasantsika. Sahia mijoro hanara-maso ny fitondran-draharaham-panjakana eto amin’ny firenena ka hitoroka ny tsy mety.
Ny asa ihany no ahafahana mampandroso ny firenena, takiana ny isian’ny andron’ny fifampihainoana ankalamanjana hitanisana ireo alahelo, fitarainana, fanatsarana sy hanolorana tolokevitra. Tokony homena sata manokana ny kianjan’ny 13 Mai.
Mampatsiahy ireo mpitondra fa ny fahefana dia an’ny vahoaka, fa ampidramina mandritra ny fotoana voafaritry ny lalàna. Ny fikambanana dia sarotiny amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Ny fifidianana tena izy, miantoka ny safidin’ny olompirenena marina no fototry ny fahefana.
Farany, ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia miantso fitoniana sy fifampihainoana hatrany.
Natao teto Antananarivo, androany faha-22 oktobra 2025
Ny Birao Nasionaly