FANAMBARANA
LIANA NY TENA MARINA NY OLOMPIRENENA
Mandeha ny feo fa fongana ny vola sy ny volamena tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Miseho amin’ny endrika maro ny fiheverana ny fandikan-dalàna ny maha-Fanjakana Lahika an’i Madagasikara. Malaza etsy sy eroa ny fisavana sy ny fanamborana. Miandry fatratra ny vokatry ny fanadihadiana ny olompirenena.
Ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia miandrandra ireo manampahefana hanazava ho amin’ny olompirenena amin’ny alalan’ny haino vaky jery ny zava-misy marina mahakasika ireny.
Natao teto Antananarivo, ny 13 Novambra 2025
Ny Birao Nasionaly



