FANAMBARANA : Fifidianana fanoitry ny fampandrosoana no mendrika ny Malagasy

0
185

Tontosa ny 11 Desambra teo ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanana sy ho Mpanolontsaina, manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, ireto manaraka ireto no teboka nanamarika iny fifidianana iny.
Mialoha
Tanteraka ihany ny fifidianana na dia nisy fihemorana aza. Niara-nivoaka ny didim-panjakana manokana mifehy ny fifidianana Kaominaly. Niova ho fifidianana lisitra ny fomba fifidianana.
Maro ny kandida nitaraina noho ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy filatsahan-ko fidiana, indrindra ny hetra sy ny fizakan-jo maha-Malagasy. Tsy voadinika tsara mialoha ve fa hitondra fahasarotana sy fimenomenoman’ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana ireny fanapahana ireny ka dia nasiana fanovana indray avy eo?
Lasa atao fitaovana ny fangatahana tsodrano izay hikendrena fanerena ara-tsaina sy ara-kolotoraly ary ara-pinoana. Mihavery hasina amin’izany ny fomba amam-panao.
Novoizina ary lasa fomba fiteny ny hoe : “Kandidam-panjakana” sy ny hoe : “Rehefa mifidy ny kadidam-pajakana dia handroso ny Kaominina”. Marihina fa ny Fanjakana dia an’ny Malagasy rehetra fa tsy an’ny antoko na vondron’antoko manohana ny fitondrana. Ny fitsinjaram-pahefana kosa dia famindrana amin’ny vondrom-bahoakam-paritra, ny sombim-pahefana mazava (Araka ny lalàna fehizoro 2014-018 sy ny lalàna nasiam-panitsiana 2014-020).
Nisy fanovana ny mpikamban’ny CED sy ny “chef d’antenne” andro vitsivitsy mialoha ny fisokafan’ny fampielezankevitra, noho ny antony tsy fantatra. Miteraka ahiahy teo amin’ny mpandray anjara amin’ny fifidianana izany, nanamaloka ny fahatokisan’ny olona ny zotram-pifidianana.
Tsikaritra ihany koa ny fanerena kandida hiala andaharana izay manohitohina ny demokrasia sy ny fahalalahana ary ny zo isambatan’olona.
Fampielezankevitra
Misy kandida tsy manana na tsy nanasongadina ny programan’asany mazava. Nifangaro tanteraka ny programa sosialim-panjakana sy ny hetsika antoko, nandritra ny fampielezankevitra, indrindra teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohtra na CUA sy ireo renivohi-paritany sasantsasany. Volan’ny antoko ve sa volam-panjakana no nividianana ireo vary sy ireny entana samihafa nozaraina ireny? Ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia mitaky fanazavana avy amin’ny fitondram-panjakana mahakasika izany ary amin’ny CCFVP ny fangaraharahana momba ny vola nampiasain’ireo kandida.
Na izany na ts’izany, nilamina ny fizotry ny fampielezan-kevitra. Tsikaritra ihany koa fa tsy ampy ny toerana natokana nametrahana afisy.
Lisitra
Ny fikambanana dia tsy resy lahatra ny amin’ny famerenana ny “ordonnances” izay tsorina fa kajikajy politika sy manakorontana tanteraka. Raha ny andalana faha-242, ny lalàna 2023-023 dia manindry mazava fa ireo olona mihevitra fa niezaka nefa tsy tafiditra na “omises” no mizaka ny zo ambaran’ny lalàna 2018-008. Marihina fa ny fisoratana anaty lisi-pifidianana dia antsitrapo ary manaja ny fahalalahan’ny olompirenena. Tsy misy lalàna mihitsy milaza fa ny Sefo Fokontany no mitondra ny fangatahana eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany. Farafaharatsiny, ny filohan’ny CLRE no mitondra izany. Voaporofo koa fa ny ankabeazan’ny Sefo Fokontany dia manana loko sy firehana politika. Noho izany, mbola ilaina ve ny handraisan’ireo mpisehatra amin’ny raharaham-pifidianana ny fanaovan-tsonia ny famaranana ny lisi-pifidianana eto amintsika?
Serasera
Tsy nahavaly ny filan’ny olompirenena ny vaovao ofisialy avy amin’ny CENI. Hany ka ny tsaho no manjaka sy inoan’ny olompirenena kokoa any amin’ny tambazotran-tserasera.
Androm-pifidianana
Nisokatra daholo ny birao fandatsaham-bato. Tonga ara-potoana avokoa teny anivon’ny CED ny fitaovana nikirakirana ny fifidianana. Feno ny isan’ny mpikambana amin’ny biraom-pifidianana. Tsy nisy ny fanafihana na fandorana na fanimbana ny birao fandatsaham-bato tamin’ity.
Vitsy ny mpifidy tonga nandray anjara. Na ireo nisoratra tamin’ny “ordonnances” aza, mbola misy tsy tonga nifidy ny maro. Raha io tranga io, tena nahimpon’ilay olona tokoa ve ny nangataka ny “ordonnances”? Mampametra-panontaniana ny ho fahombiazan’ny Fitsinjaram-pahefana izay mifototra amin’ny fandraisana anjara mavitriky ny olompirenena raha izao taha ambanin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana izao.
Nisy :
– Ny fifamadihan’ny taratasy nampiasaina nikirakirana ny fifidianana.
-Ny fizarana “Tickets” sy fandraisana anarana mpifidy hahazoana vary sy fanomezana hafa.
– Birao fandatsaham-bato tara ny fanombohana ny latsa-bato.
– Biraom-pifidianana nafindra toerana tamin’ny ora farany : Befintina, Amboanara, Andohadoatra ( Nosy Be Hell-Ville).
– Bileta efa voamarika mialoha : Antafinambiatra, Daresalam ( Nosy Be Hell Ville), Ambohitsoa Tanà II, Anosibe Tana IV.
– Olona tsy ao anaty lisitry ny mpifidy ao amin’ny Fokontany no voatendry ho mpikambana ao anaty biraom-pifidianana.
Aoriana
Lasa fampiononan-tsain’ny kandida resy ny filazana fa misy nangalatra ny vatony, nefa tsy mitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana.
Manjaka ny tsy fitokisana ny Fitsarana amin’ny raharaham-pifidianana sy ny rafi-pifidianana izay misy ankehitriny. Maro mihitsy no milaza fa tsy ilaina intsony ny fifidianana eto Madagasikara, raha toy izao hatrany ny endrika isehoany.
Noho izany, ny fikambanana dia mitaky ny :
– Famoahana ny vokatra isaky ny birao-pifidianana rehetra.
– Fanajanonana tsy misy hatak’andro ny fifandranitana
– Fampiharana ny lalana manan-kery
– Famoahan’ny CCFVP ny tatitra tamin’ireo fifidianana nifandimby.
– Fanatanterahana ny fifidianana izay hitondra ny Faritra
– Fanendrena ny ho Sefo Fokontany aorian’ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna (and-5, didim-panjakana 2009-890, ny 2 juillet 2009).
– Fampisehoan’ny mpanao politika ny etika
Mba tsy ho soron’afon’ikaladala, ny eo tsy levona, ny eo asesika ihany; ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia manamafy ny tsy maintsy hanatsarana ny rafi-pifidianana, na “ny système électoral” hamerenan-kasina ny fifidianana.

Antananarivo, faha-18 Desambra 2024
Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olompirenena