FIARAHA-MIASA DEVELOPPEMENT ET PAIX SY KMF/CNOE-FANABEAZANA OLOMPIRENANA : Haharitra taona iray ny fanentanana ho fampandraisana andraikitra ny olompirenena lahy sy olompirenena vavy amin’ny fifidianana Filohampirenena sy kaominaly

0
165

Atrikasa fifampiofanana hateloana andro teto Andrenivohitra narahina fampitam-baovao tamin’ny haino aman-jery no nanombohana ny tetikasa : “Fanentanana ho fampandraisana andraikitra ny olompirenena lahy sy ny olompirenena vavy mandritra ny zotram-pifidianana”. Tetikasa izay tanterahin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenana manomboka izao ka haharitra taona iray izay tohanan’ny Développement et Paix ara-bola . Nanomboka ny alatsinainy 21 hatramin’ny alarobia 23 Aogositra, tao amin’ny Bucas Antanimena no nametraka ny rindran-damina ireo lohandohan’ny mpisoron’ny Fikambanana sy ny ekipa teknika ary ireo lehiben’ny tetikasa avy any amin’ny Faritra.
Distrika 12 eto Madagasikara no ikatrohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena amin’izany : Ikalamavony, Nosy Be, Ihosy, Toliara I, Toamasina I, Maintirano, Mahajanga I, Morondava, Manakara, Fianarantsoa ary Tsiroanomandidy.
Tanjona ny hampitombo sy hanatsara ny kalitaon’ny fandraisana anjara ny olompirenena amin’ny fifidianana ka hanekeny ny vokatry ny fifidianana ho avy amin’ny safidiny malalaka tsy nisy teritery ho amin’ny fanoavana na « Légitimité » ny mpitondra izay ho lany manaraka eo.
Olona 6 000 farafahakeliny ka ny vehivavy ny antsasamanilany no kendrena ho voakasiky ny tetikasa ho an’ny fifidianana Filohampirenena ary 20 000 ho an’ny fifidianana kaominaly. Mpikambana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena miisa 191 no hahetsika amin’izany.
Tsiahivina fa ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 24 Aogositra no fanambarana ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa.