FIFIDIANANA 2023 : « REFONTE » SY « JUGEMENT SUPPLÉTIF »

0
224

Fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy
Androany alatsinainy faha-03 ny volana oktobra 2022, andro fahatelo tokony hanombohan’ny fanisana ny mpifidy izay sahanin’ireo mpanisa mpifidy noraisin’ny CENI, tamin’ny alalan’ny rantsa-mangaikany manerana ny Nosy. Raha ny zavamisy anefa dia tsy tomombana araka ny tokony ho izy izany fanombohana izany. Tsy niara-niainga ny fanisana ny mpifidy. Maro ireo mpanisa mpifidy tsy mbola afaka nanao ny asany noho ny fahataran’ny fitaovana hanaovana izany avy amin’ny CENI foibe. Ny fitsidihana natao teo anivon’ny CED maro no nahalalana fa nisy maro ny tsy nanomboka ny fanisana ny mpifidy, ny voalohan’ny volana okobra 2022 voatondro hanombohan’izany. Hatramin’ny androany, tsy ampy ny fampahafantarana sy fanaingana ny olompirenena ity hetsika ity, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Heverin’ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena fa ny fampiasana tambazotra sosialy toy ny facebook izay tsy mahakasika afa-tsy ny latsaky ny folo isan-jaton’ny Malagasy dia tsy ampy hampitana hafatra amin’ny fanisana mpifidy toa itony. Noho izany, manaitra ny eo anivon’ny CENI mba hanao izay hampahomby izao fanavaozana manontolo ny lisitra izao ka tsy hanao ambanin-javatra ny lafiny fanentanana sy fifandraisana ary ny fanabeazana. Manainga ihany koa antsika fiarahamonim-pirenena miantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fifidianana hanao izay vitany amin’ny fanaraha-maso sy fanentanana ny olompirenena indrindra ny vehivavy sy ny tanora.

Hetsika « jugement supplétif »
Mahakasika ny fanomezana karapanondrom-pirenena ho an’ireo tsy manana izany : mahabe resaka sy tsy mampitovy hevitra ny ankolafin-kery samihafa ny fanatanterahana izany noho ny antony maro. Ny fomba entina manatanteraka izany no tokony hampiady hevitra, hialana amin’ny fanararaotana samihafa fa ny fanomezana karatra ialohavan’ny fanomezana kopia na « jugement supplétif » dia zo fototra hananan’ny olompirenena. Ilaina tokoa ho amin’ny hahafahan’ny olompirenena hisitraka ny zony. Ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia tsy miombon-kevitra amin’izay mety ho endrika kajikajy politika ikendrena tombontsoa manokana. Manantena koa fa tsy ho loharano-na hosoka sy halatra amin’ny fifidianana ho avy ity hetsika ity. Ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia mampirisika ireo voakasiky ny disadisa mba hifampiresaka hitady izay hahalavorary ity hetsika ilain’ny fahafenoan’ny maha-olompirenena ity. Ny fanaraha-maso natao teny ifotony hatreto no ahitana fa misy lamina noraisin’ireo mpitondra eny ifotony handrindrana ity hetsika ity. Misy ihany koa anefa ireo olompirenena manararaotra ankafetsena izao hetsika izao mba hahazoana karatra amin’ny fomba tsy ara-dalana. Fihetsika tsy mendrika ny maha- olompirenena vanona izany. Eo anatrehan’izany dia manainga ireo mpanao fitsarana mitety vohitra sy ireo manan’andraikitra amin’izany toa ny Sefo Fokontany, ny ao amin’ny Kaominina, ny Lehiben’ny Distrika na Fileovana, ireo vavolombelona ary ireo mpanamboatra karatra ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena mba ho malina tsara eo am-panatanterahana izany asa izany ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

Antananarivo faha-3 Oktobra 2022

Ny Birao Nasionaly