KMF/CNOE. RAHARAHA ANTENIMIERANDOHOLONA SY NY FIDIDIANANA : «Ny fifampiresahana sy ny finiavana politika, no vahaolana»

0
292

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena avokoa ireo endrika tsy fanarahan-dalàna ka mampihitatra ny krizy ankehitriny. Nanamafy hatrany ny fikambanana fa ny fifampiresahana sy fifampidinihina hatrany no vahaolana manolona izao savorovoro anatin’ny vanimpotoam-pidianana izao.
«Ady gasy !» Io no filazan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, tamin’ny alalan’ny Filoha nasionaly, Robert Namearison, ho vahaolana amin’ity krizy lavareny ity, nanoloana ireo mpanao gazety nametra-panontaniana azy, teo amin’ny foiben’ny fikambanana, ny zoma 13 oktobra teo. «Ady gasy» nentin’ny lehiben’ity fikambanana mpanaramaso fifidianana ity nilazana ny lanjan’ny fifampiresahana, fifampidinihina, amin’ny samy Malagasy. « Ady gasy » izay nametrahany tsindrim-peo ny fihavanana, soatoavina maha-malagasy izay mitaky finiavana politika sy fifanantonana, indrindra ho an’ireo kandida mpifaninana mampienjan-droa ny tadin’ny fitakiana sy ny fampielezankevitra ka ny olompirenena no ho lasibatra hatrany.
Mahakasika ny raharahan’Anosikely, raha ny lalana velona, ho amin’ny fakankevitra ho an’ny Governemanta, afaka miantso fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Antenimierandohona ny Mpanatanteraka. Saingy tsy izay fakankevitra izay no nitranga teny amin’ny Lapan’Anosikely fa fanapahankevitra fampiantoana ny Filohan’ny Antenimierandolona. Ity farany, raha ny tsikaritra, ny alakamisy 12 oktobra teo, nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoana ary namarana izany. Fanontaniana nipetraka ny hoe : «Moa misy nanokatra indray ve rehefa avy nakatona sa tonga dia nitohy ilay fivoriana taorian’ny nivoahan’ny Filohan’ny Filohan’ny Antenimierandohona teo aloha?
Tranokala tsy tapakevitra
Nampametram-panontaniana ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ihany koa ilay tranokalan’ny Fitsarana avon’ny lalam-panorenana na ny HCC tsy tapakevitra mampiseho sy manala ny didy izay navoaka. Nahatsapa fifanoheran-kevitra ihany koa ny fikambanana tamin’io trakala io izay ny andininy iray milaza fa tsy azo raisina ny fangatahan’ny antoko iray hanemotra ny fifidianana ho 30 andro, noho ny lafiny fitsaboana kanefa ny andininy hafa nilaza fa mihemotra herinandro ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena noho ny antony lehibe. Moa ve tsy io fangatahana nolavina io ihany no lasa antony goavana nanemorana ny fifidianana ? Raha ny kisary, ny CENI no tokony manolotra ny datim-pifidianana makany amin’ny Governemanta ary ity farany no manome izany ny HCC. Mahakasika ity fanemorana fifidianana anefa mifanohitra tanteraka.
Ny andaniny teo aloha miapanga fa tsy matoky ny HCC hitantanana ny fifidianana fa mila manangana CES na « Cours électorale spéciale». Ny ankilany indray tsy manaiky ny fihemoran’ny fifidianana izay navoakan’ny HCC ? Mampametra-panontaniana ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena izany : « Rehefa inona dia tsy azo ivalozana, ary rehefa iza dia azo ivalozana ny fanapahankevitry ny HCC ? », hoy ny Filohan’ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison manoloana ireo mpanao gazety.
Ara-dalàna fa tsy ara-drariny
Mihevitra ny fikambanana fa ny fifampidinihina sy ny fifidianana ihany no lalana ivoahana amin’izao krizy izao. Tsy kilalao anefa ny raharaham-pirenena ka oharina amin’ny baolina kitra. Tsiahivina fa nisy mpanao fampielezankevitra nanambara fa ny baolina tsy miandry marary. Fifidianana madio sy eken’ny rehetra no ilaina. Ny voafidy eo mety ho ara-dalana fa tsy ara-drariny, hany ka ahiana hiteraka krizy hafa izany « légalité » tsy manana « légitimité » izany.
Mbola tsy voavaha ihany koa ny olan’ny fahafahana maneho hevitra raha ny fijerin’ny fikambanana ny zava-misy. Famoronana antony entina hanakanana ireo mpanao fangatahana haneho hevitra no tsikaritra amin’ny valintenin’ny manampahefana. Mila finiavana politika izany.
Takelaka fiarampanjakana lasa mainty
Amin’ny maha-mpanaramaso ny fifidianana ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, mahatsikaritra tsy fanarahan-dalana sahady ny fikambanana, amin’ny sehatry ny fampielezankevitra. Araka ny angom-baovao azo avy amin’ireo ratsamangaika any ifotony, nahitana fanovana takelaka mainty ny laharan’ny fiaram-panjakana izay takelaka mena talohan’ny fampielezankevitra. Tsikaritra ihany ny fahitana mpiasam-panjakana ambony, izay voatendry, manatanteraka fampielezankevitra.
Manoloana ny fimenomenonan’ny olompirenena amin’ny rano mainty natsatso nanaovana tonta printy ny taratasy manifin’ny kara-pifidianana, nijoro vavolombelona ihany koa ny Filoha nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ary nampiseho izany manoloana ny fakantsarin’ny mpanao gazety fa manjavozavo ny soratra ary manify loatra ilay kara-pifidianana. Manandanja amin’ny fahefan’ny olompirenena hametraka izay safidiany hitondra azy anefa izany. Hahafahana ihany koa mitondra fitarainana amin’ny olan’ny latsa-bato izay mitranga.
Sary : Ny Filohan’ny fikambanana KMF/CNOE, Robert Namearison nampiseho ny kara-pifidianany tamin’ireo mpanao gazety