ZOTRAM-PIFIDIANANA : Volan-kankafotra, omaly tsy miova ihany

0
375

Ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena izay manara-maso ny fiainam-pirenena, mijery sy mihaino ary mandalina ny tranga dia miainga amin’ny porofo avy amin’ireo mpikambana eny ifotony manerana ny Nosy. Asehony amin’ny alalan’ny tatitra, tolokevitra, fanairana na «interpellation», fanabeazana ary fanjohina izany fanaraha-maso ny toe-draharaham-pirenena izany. Ny iantefan’ny fanaraha-maso dia ny ankolafinkery samihafa izay mandray anjara amin’ny raharaha mahakasika ny daholobe , ny tontolo politika, ny haino vaky jery sy ny tambazotra sosialy, ny fivoriana, ny fanentanana ankalamanjana, ny fitsidihina tokantrano, ny fampisehoana, ny fizarana fampahafantarana an-taratasy, ny fiangonana, ny firaisamonim-pirenena, ny mpiasa birao sy ny mpiasam-panjakana ary indrindra ny olompirenena.
Miabo
Nisongadina ny fahavitan’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, ny famoahana ireo didy fanapahana dimy mahakasika ny fifidianana Filohampirenena. Hita fa telo ny kandida manatanteraka ny fampielezankevitra hampandany ny tenany, nivoaka ara-potoana ny lisitry ny birao fandatsaham-bato, mipetraka ireo toerana hametahana afisy , manao ny asa fanentanana sy fanabeazana ny olompirenena ny fikambanana sasany toa ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena sy ny hafa, andalam-pizarana ny kara-pifidianana sy ny fitsinjarana ny fitaovana hampiasaina amin’ny fifidianana.
Miiba
Maso miara-mahita isika fa miha very hasina sy tsy atokisana ny andrimpanjakana, porofon’izany, niteraka ady hevitra sy fanoherana ny fanendrena ny rafitra hitantana ny firenena.
Tsy nisy famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny «refonte» satria mbola nisy fikitihana ny lisitry ny mpifidy toa ny fanadiovana, fangatahana nalefa teny amin’ny fitsarana taorian’ny filazana ny vokatra farany nataon’ny CENI.
Tsy ampy ny fanazavana ireo fanapahana noraisin’ny Fitsarana avo ny lalampanorenana ka mahazo laka ny fandikana na «interprétation» politika.
Tsy nampiasa ny haino vaky jery loatra ny CENI fa nirona amin’ny fantsona ara-drafitra ka tsy manana vaovao maripototra ny olompirenena, indrindra ny amin’ny faritra izay mihaino kokoa ny onjampeom-paritra. Tsy ampy ny fanabeazana sy fanaikana ny mpifidy ataon’ny CENI eny amin’ny haino vaky jery indrindra any amin’ny Faritra ivelan’Antananarivo fa toa valin-kafatra tamin’ireo fanakianana nahazo azy ireo fotsiny no hafatra nampintainy.
Zava-misy amin’izao fotoana izao : mihendanja sy miharatsy kalitao ny fampielezan-kevitra.
Kandida folo manohitra ny hanatanterahana ny fifidianana fa mitaky fanavaozana ara-drafitra sy fandaminana. Tsy matoky ny andrimpanjakana (HCC, CENI, Governemanta) izay mijoro izy ireo sy ny mpanara-dia azy.
Tsapa fa tery ny fahafahana maneho hevitra indrindra fa eny anivon’ny faritra ivelan’ny Renivohitra. Manameloka tanteraka ny fandratrana ny olompirenena ny fikambanana.
Amin’izao fampielezan-kevitra izao, mahazo laka : -ny fizarana mety manohitohina ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy toa ny vola sy ny fanampiana ara-pitaovana, koveta, moto, fiara sns… ary fanaovana ramatahora ny mpiasam-panjakana madinika, indrindra eo amin’ny fampianarana; -ny fanovàna ny fiaram-panjakana ho “plaque noire” hampiasaina hanaovana fampielezankevitra. “Fanolorana zava-bita” tahaka ny fotodrafitrasa, jiro, karatany… izay nasolo ny voambolana “fitokanana”; -fanaovan’ireo solontenam-panjakana sy ireo mpiasampanjakana ambony ary olomboantendry fampielezankevitra mivantana na ankolaka, indrindra any ivelan’ny tanandehibe.
Miara-mahita isika fa zara fa misy ireo afisy eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany nefa ahitana koa amin’ny toeran-kafa.
Manimbazimba ny fahafahan’ny tsirairay sy manitsaka ny andininy faha-13 amin’ny lalampanorenana ny fampiasana ilay “logiciel” fitsikilovana : “PREDATOR”.
Misoko mora koa ny fandraisana ho mpikambana izay ahiana ho fividianana na fanerena ankolaka ataon’ny antoko TGV hatreny amin’ny biraom-panjakana. Mampametra-panontaniana ihany koa ny amin’ny fifandraisan’izany amin’ny fizarana karatra mpifidy nataon’ny CENI.
Mangina tanteraka ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana manoloana ireo fikambanana voafehin’ny “Ordonnance 60-133” mirotsaka mivantana manao fampielezankevitra manohana kandida.
Eo anatrehan’izany, mihevitra ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabezana Olompirenena fa:
Tsy feno ny fepetra aha-fifidianana ekena sy andraisan’ny rehetra anjara ka hitondra filaminana. Maro ireo didy aman-dalàna tsy maharaka ny toetrandro intsony ka vao maika manasarotra ny toe-draharaha toa ny “ordonnance 60” mahabe resaka ankehitriny.
Izao fampielezankevitra ho amin’ny fifidianana sy tolona manohitra fifidianana amin’ny endriny ankehitriny izao dia miteraka fivakisana (amin’ ny tontolo politika, haino vaky jery, fiarahamonim-pirenena, olompirenena sy ny fiaraha-monina) ka ahiana hanjaka ny fifandrafesana sy ny ady lahy politika.
Tsikaritra ho mahazo vahana ny fampiasana ny fomba rehetra hitrandrahana ny fahantran’ny olompirenena. Etsy andaniny, ny olompirenena tsy sahy mijoro vavolombelona fa misafidy himenomenona fotsiny noho ny tahotra. Vokany, ny tambazotra ara-tsosialy sy ny tsaho no mahasarika azy ireo.
Melohina ny fampianianana ny olompirenena mandritra ny fampielezankevitra izay mamatotra ny safidy malalaka, ny fividianana safidin’izy ireo amin’ny fomba sy endrika rehetra, ny kara-pifidianana be diso sy manjavozavo, ny tsy fahafahana maneho hevitra sy mivezivezy ary ny fanenjehana ny olompirenena noho ny lokon’akanjo.
Fehiny, raha manopy maso ireo fanambarany tamin’ny zotram-pifidianana farany, ny fikambanana tsapa fa volan-kankafotra, omaly tsy miova ihany, tsikaritra ho miha kizo aza izany amin’izao tolona sy fampielezankevitra mifanindry an-dalana izao.
Mitaky tatitra mazava sy marina avy amin’ny CCFVP amin’ny maha rafitra mpanara-maso ny fintantanam-bola ampiasain’ireo kandida amin’ny fifidianana azy, mahakasika ny vola rehetra nokirakiraina.
Hanara-maso ny fifidianana hatrany ny fikambanana, distrika 75 amin’ireo 119 no hanatanterahany ny fanaraha-maso. Ny 50 amin’izany iarahana amin’ny OIF. Mpanara-maso 800 eo eo no hanatanteraka ny hetsika ka ny 679 mijanona anaty foibem-pifidianana moa ny 99 mivezivezy.

Natao teto, Antananarivo ny 8 Novambra 2023
Ny Birao Nasionaly