ANDRAIKITRY NY OLOMPIRENENA MANDRITRA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA : Nifanakalo hevitra amin’ny fanabeazana ara-pifidianana ny tanoran’ny CDA sy ny KMF/KNOE Fanabeazana olompirenena

0
139

Mitohy hatrany ny fifanakalozana fanabeazana ara-pifidianana amin’ireo tanora, ao anatin’ny loha-hevitra:  » Andraikitry ny olompirenena mandritra ny zotram-pifidianana ». Notanterahin’ny fikambanana KMF/KNOE Fanabeazana olompirenena sy ny tanora mpianatra ao amin’ny CDA Andohatapenaka izany, ny zoma faran’ny septambra teo izany. Nafana tokoa ny ady hevitra, indrindra amin’ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena amin’izao vanimpotoana mialoha ny fifidianana izao.
Tsiahivina fa ny tetikasa dia nahazoana tantsoroka ara-bola avy amin’ny UMass Boston-U.S, Department of State, “Malagasy Youth Engagement in the Electoral Process” (MYEEP) dia mikatsaka ny fampitomboana sy fanatsarana ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Izany dia tanterahin’ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena miaraka amin’ny ONG Tolotsoa, Liberty 32, ONG Tokotany Iraisana, ALJM Farafangana. Nanomboka ny volana Mey teo hatramin’ity Septambra ity ny tetikasa MYEEP izay ikatrohana amin’ny distrikan’ny Soavinandriana sy Farafangana ary Antananarivo Renivohitra.