FANAMBARANA : Ho amin’ny fifidianana marina sy malalaka

0
291

Tsy misy tsy vitan’ny fifampidinihina! Mirimorimo izay tsy izy ny toe-draharaham-pirenena. Mahazo vahana tanteraka ny tsy fifampitokisana an’ireo rafitra tomponandraikitra mpikarakara sy mpanapakevitra mahakasika ny fifidianana : HCC, CENI, Governemanta. Ireto farany izay voapanga sahady amin’ny endrika tsy fanarahan-dalàna. Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara izao ahiahy lalina tsy hihavanana mialohan’ny fifidianana izao. Midika ho otrika korontana izany. Ny vy anefa tsy mikitrana irery. Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny korontana.
Ho fisorohana ny mety ho krizy sy hanatanterahana fifidianana marina sy malalaka, ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia manohana ny fifampidinihina efa mandeha ankehitriny. Araka ny antso avo efa nambarany hatrizay, ny fikambanana dia manamafy hatrany ny fifampiresahana sy fifampidinihina samy Malagasy ary miantso ireo manampanahy mba hifarimbona amin’izany. Aoka tsy hitanila ny fifampiresahana ka tsy hisy kandida hatao ankilabao. Ireto farany koa aoka tsy handa ny fifampidinihina.
Ho an’ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka Malagasy, maniry ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ny hanatanterahana fifidianana marina, malalaka ary manara-dalana ka mila vahana amin’ny fomba haingana ny fototr’olana, dia ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahatokisana ireo rafitra mpitantana ny fifidianana.
Ny isavorovoroan-kilatoana, koa mampirisika ny Olompirenena Malagasy handray anjara amin’ny fifidianana sy hiaro ny safidiny hatramin’ny farany.

Natao teto, Antananarivo ny 27 Septambra 2023
Ny Birao Nasionaly