FANAMBARANA : VERY HASINA NY ANTENIMIERANDOHOLONA

0
509

Andraikitra tokana tokony ho sahanin’ ny Filohan’ny Antenimierandoholona, araka ny lalampanorenana amin’izao vanimpotoana izao, ny ho Filoham-pirenena vonjimaika
Manoloana ny fandavana tsy niantsoroka izany, mahatsapa ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena fa very hasina ny Antenimierandoholona ary heverina fa lasa saribakoly eo ampelantanan’ny fahefana mpanatanteraka ny fiainam-pirenena. Efa fitsoahan-daharana izany ka tokony ho tohizana hatramin’ny farany.
Voalohany, mitaky ny fikambanana ny fametrahampialan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny izay niamboho adidy nilaza fa tsy afaka hiantsoroka ny andraikiny maha-Filoham-panjakana mpisolo toerana.
Izao tranga miseho izao no porofo mampibaribary ny tsy fisian’ny fitsinjaran’andraikitra sy ny fifandanjam-pahefana eo amin’ny Mpanatanteraka sy ny Mpanao lalana ary Fitsarana izay antoky ny tany tan-dalana. Mafy kokoa ny tsindry avy amin’ny mpanatanteraka.
Faharoa, mitaky ny Fitsarana avo momban’ny Lalampanorenana mba hitondra fanazavana ny hoe : «Gouvernemanta fiaraha-mitantana». Amin’ny fikambanana mantsy, diso ny fivoizana fa ny Praiminisitra no mitondra ny tany sy ny Fanjakana. Vao maika aza mampietry azy hitovy laharana amin’ny laharan’ny Minisitra sy ny Sekretram-pajakana izany satria tsy misy fanapahankevitra azo raisina samirery raha tsy tenierana. Tsy olontokana araka ny feo mandeha fa iarahan’ny mpikamban’ny governemanta mandray ny fanapahankevitra sy ny andraikitra. Moa ve ireo mpikambana ny Governemanta rehetra izany dia migoka ny tombotsoan’ny maha-Filoham-panjakana azy ireo amin’izao fotoana izao sy aorian’ny fitondran’izy ireo?
Mitaky ny tsy fiandanian’ny governemanta, amin’izao zotram-pifidianana izao Aza adino fa ianareo izao no mitantana vonjimaika ny Filoham-panjakana manomana fifidianana.
Manamaloka ny zotram-pifidianana izao tranga izao kanefa aoka tsy ho antony velively hanemorana ny fifidianana ka hizotra mihazo ny tetezamita. Ny fikambanana dia mampiomana hatrany ny olompirenena hanaramaso sy handray anjara amin’ny fifidianana.
Natao teto, Antananarivo ny 14 Septambra 2023
Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena