AVOAHY MIALOHA NY TETIANDROM-PIFIDIANANA

0
183

Tonga ity ny taona vaovao 2023, miarahaba ny olompirenena tsy ankanavaka monina eto Madagasikara ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Ho taona hampody ventiny ny rano nantsakaina, hisian’ny fandraisan’andraikitra matotry ny olompirenena ary fahombiazana anie ity taona vaovao diavintsika ity.
Hanombohan’ny fifidianana isan’ambaratongany ka hisafidian’ny olompirenena Malagasy ireo hampindraminy ny fahefana hitondra ny firenena ity taona ity. Eo anatrehan’izany dia manao izao antso avo izao ho an’ny Governemanta sy ny CENI ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Avoahy mialoha ny tetiandrom-pifidianana rehetra. Tsiahivina fa taom-piasana roa no miara-tapitra amin’ny fiandohan’ny taona 2024, dia ny an’ny Filohan’ny Repoblika, an’ireo Ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny kaominina. Mba hampitovy zo ireo mieritreritra handray andraikitra ka hirotsaka, dia mitaky ny hamoahana ny tetiandrom-pifidianana mialoha ny fikambanana, hifantohan’ny olompirenena amin’izany.
Ady hevitra efa lany andro teto amin’ny firenena ny mety ho fisiana na tsy fisiana fifidianana fa rehefa lany fe-potoam-piasana dia miroso amin’ny fifidianana, araka ny fenitra sy soatoavina demokratika. Ahiana ihany mantsy fa sao sanatria tsy laharampahamehana amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ny fifidianana.
Ho an’ny antoko sy ny mpanao politika
Adidy ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana : manomboka amin’ny famolavolana sy fandrafetana ny lisitry ny mpifidy, ny fanatsarana ny lalàna ary ny fanolorana ireo kandida hisafidianan’ny olompirenena. Aoka samy hiomana amin’izany ny rehetra ka handrafitra programan’asa mazava amin’izay kasaina hatao sady lavitry ny fitaka politika. Vahaolana matotra sy azo tanterahina no andrasana aminareo.
Ho an’ny fiarahamonimpirenena
Mitaky firaisamonimpirenena mijoro sy matotra ny fiatrehana ny fifidianana. Sahia mijoro sy mandray andraikitra. Andao havondrona ny hery hanamafy ny fahamatoran’ny ny olompirenena hiatrika ny adidiny manoloana ny fifidianana ho avy sy ny andavanandrom-piainany. Azo atao tsara ny mivondrona fa manaja ny maha-izy azy ny tsirairay.
Ho an’ny olompirenena
Adidin’ny olompirenena vanona ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fifidianana. Aoka tsy ho isan’ireo marivo salosana amin’ny tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana, anisan’ny fandresenan’ny fahavalom-pirenena izany. Isika rehetra miara-mandray andraikitra no takian’ny firenena amintsika. Olompirenena mijoro sy mandray andraikitra no fiovana andrasana amintsika rehetra.
Ho an’ny mpandraharaha ara-toekarena
Fotoana hanehonareo fitiavan-tanindrazana izao koa mijoroa amin’ny marina mba ho fandraharahana madio no hianteheran’ny toekarem-pirenena.
Ho an’ny mpanao gazety
Manana ny anjara toerana goavana amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao ianareo mpanao gazety. Ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazanaolompirenena dia manantena sahady ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Trano atsimo sy avaratra isika ka izay tsy mahalen-kialofana. Matoky ny fahamatoranareo ny Firenena.

Antananarivo, faha-6 Janoary 2023
Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena