MILA FIFANTOHANA NY FIATREHANA NY FIFIDIANANA

0
200

Ny Fikambanana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena, manameloka ny endrika korontana. Mitaky hatrany ny hisian’ny filaminana sy fampiharana tsy mitanila ny lalàna, indrindra amin’ny fahafahana maneho hevitra tahaka ny famoriana olompirenena anatin’ny faritra an’olontsotra. Tandrovana tahaka ny anakandriamaso ny fiombonam-pirenena ka miantso ny fampitsaharana tsy misy hatak’andro ny fifandranitana amin’ny fihetsika sy fiteny.
Heverina fa misoroka ny korontana amin’ny fifidianana ny fisiana lalàna miahy ny tombotsoan’ny be sy ny maro fa tsy an’olontokana na olombitsy. Hany ka mitaky fanatsarana ireo andininy izay efa nitrangana olana tamin’ny fifidianana, toy ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, ny fanasaziana ireo kandida tsy manara-dalana na ny mpomba azy, ny famerana ny vola hanaovana fampielezankevitra, sns. Tsapa fa ilaina ireo fanitsiana lalàna sy ny dinika politika ifanaovan’ny mpisehatra rehetra hametrahana filaminana mialoha, mandritra, aoriana ny fifidianana.
Manamafy hatrany ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, araka ny fanambarany ny 12 desambra teo ny amin’io fanovozana ny hevitry ny ankolafin-kery rehetra voakasiky ny fifidianana io. Izany dia hatao amin’ny alalan’ny fakan-kevitra manomboka eny anivon’ny faritra tsirairay manerana ny Nosy, alohan’ny handravonana azy eo amin’ny sehatra nasionaly. Ny fehin-kevitra tapaka eo no entina hanatsarana ny làlana mahakasika ny fifidianana sy ny fitsapankevibahoaka eto Madagasikara. Mila vita alohan’ny fotoam-pivoriana voalohan’ny parlemanta Malagasy izany rehetra izany, mba hodinihiny sy handraisany fanapahan-kevitra ka havadika lalàna. Manizingizina hatrany ny ho firosoana amin’ny fifidianana araka ny tetiandro efa ofisialy ny KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena. Tsy ekena ny fanalavana ny fepotoam-piasan’ny olomboafidy na koa tetezamita. Heverina fa mampilamina ny zotram-pifidianana ny fananan’ny kandida herijika mitovy.

Antananarivo, voalohan’ny Marsa 2023

Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena