MAMPANDROSO AN’I MADAGASIKARA NY MIFAMPIHAINO

0
204

Anisan’ny fototra heverina fa mampandroso ny firenena ny fifampihainoana. Etoana, nihaino ny hetahetan’ny fikambanana KMF/CNOE fanabeazana olompirenena sy ny CENI ny fitondram-panjakana izay mijoro ka namoaka ny Alarobia 21 Desambra 2022 ny didim-panjakana mamaritra ny fanalavam-potoana ny fanovana ifotony ny lisitry ny mpifidy na refonte. « Izany dia milaza ny fanemorana ny fanisana ny mpifidy eny anivon’ny tokantrano hatramin’ny 31 Janoary 2023.» Vokatry ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony, ny fampitam-baovaon’ny ratsamangaika ary ny hetahetan’ny olompirenena izay manahy ho very zo, efa hatramin’ny volana Novambra ny fikambanana no nahatsapa fa ilaina ny mampihemotra ny fe-potoana fanoratana anarana anaty lisitra mpifidy. Ankoatra ny olana ara-pitaovana, tsy vitsy ireo tsy niara-nanomboka ny volana oktobra.
Mampirisika tanteraka ireo herivelona rehetra toy ny mpanao politika, ny firaisamonim-pirenena, ny mpitondra fivavahana, ny olobe to teny na tangalamena, ny andrim-panjakana isan-tsokajiny hanentana ireo olompirena amin’ny adidy izay manandrify azy ireo, indrindra ireo olompirenena mbola tsy anaty lisitra mpifidy mba hisoratra anarana. Heverina ho toy ny tsy misy lanjany izao didim-panjakana izao raha tsy mandray ny andraikitra manandrify hahavoasoratra anarana azy anaty lisitra ireo tsy mbola ao. Zo sy adidy amin’ny maha-olompirenena ny fidirana anaty lisitra mpifidy. Koa manentana ireo olompirenena tsy mbola anaty lisitra ary hisoratra anarana mba tsy hanenina amin’ny andro iray.
Antananarivo, faha-23 Desambra 2022
Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena