FIFIDIANANA SY FITANTANANDRAHARAHAM-PANJAKANA ARY NY FITSINJARAMPAHEFANA TENA IZY AIZA HO AIZA ISIKA ?

0
231

Manoloana ny fiatrehan’ny firenena ny fifidianana atsy ho atsy dia manao izao fanambarana izao ny fikambanana ho an’ny olompirenena sy ny mpanao politika Malagasy :
Voalohany, mahakasika ny lalam-pifidianana :
Ilaina ary heverina fa mbola tsy tara ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lalana mifehy ny fifidianana. Ho fanatanterahana izany, mba ho tena ny hevitry ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara dia sosokevitry ny fikambanana efa hatramin’ny 4 Aprily 2022, fa atomboka avy eny amin’ny Faritra ny fakan-kevitra, avy eo vao haravona eto anivon’ny firenena alohan’ny handrosoana izany eny anivon’ny Parlemanta.
Faharoa, mahakasika ny fifidianana :
Araka ny fampitam-baovaon’ny CENI izay nanambara fa ny fiodinana voalohan’ ny fanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ho amin’ity taona 2023 ity dia kasaina hatao ny 9 novambra; ny fiodinana faharoa kosa dia ny 20 desambra ; naneho ny heviny ny Fitsarana Avo momban’ny lalampanorenana, ny 15 Febroary teo fa mifanaraka amin’ny lalana velona eto Madagasikara izany; araka izany, mitaky amin’ny hamoahan’ny Governemanta ny daty raikitra hiatrehana ny fifidianana ny ho Filoham-pirenena ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena.
Tsiahivina ihany koa fa ireo olomboafidy eo anivon’ny kaominina dia lany fepotoam-piasana, ny 9 Janoary 2024, mialohan’ny Filoham-pirenena, ny 18 Janoary. Eo anatrehan’izany, mitaky ny hamoahana ny tetiandron’ny fifidianana kaominaly ny fikambanana.
Hamafisiana fa tsy mankato ny fanalavam-potoam-piasan’ny olomboafidy ny fikambanana. Koa mitaky hatrany ny hamoahan’ny CENI izay vinavinan’ny tetiandron’ny fifidianana ho Ben’ny Tanana sy ny Mpanolontsaina ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena.
Ambara fa ny fifidianana ho Solombavambahoaka sy ny Antenimierandoholona ary ny Filoham-pirenena no tsy azo ampiarahana, raha ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana (lalàna 2018-008, and 51). Midika izany fa tsy voararan’ny lalàna sady afaka mifanindran-dalana ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny kaominaly. Mampihena ny fandaniana no sady misoroka ny fanitarana ny fepotoam-piasan’ny olomboafidy eo amin’ny kaominina izany.
Fahatelo: Momba ny lisitry ny mpifidy
Araka ny tetiandro navoakan’ny CENI tamin’ny 09 jona 2022 dia ny daty hivoahan’ny lisitry ny mpifidy farany dia ny 10 jona 2023. Nanambara ny CENI fa ny 10 Aprily no famaranana ny lisitra vonjimaika halefa eny amin’ny Fokontany hanaovan’ny olompirenena fitsirihana na fanamarinana. Voalaza anefa fa hatramin’ny 31 May 2023 no faran’ny fisoratana anarana eny amin’ny Fokontany.
Ny fanontaniana mipetraka dia :
1. Ahoana ny fahafahan’ny olompirenena mitsirika, indrindra ireo nisoratra taorian’ny 10 Avril ?
2. Ahoana ny fanajana ny voalazan’ny andininy faha-21 ka hatramin’ny andininy faha-28 ny lalana momba ny fifidianana?
3. Oviana marina no hatao ireo fitsirihana voalaza tamin’ny drafitr’asa voalohany navoakan’ny CENI ?
Manentana hatrany ny olompirenena hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny fikambanana. Manambara fa andraikitry ny mpisehatra rehetra eo amin’ny fifidianana ny fanaraha-maso ny fandrafetana ny lisitra.
Fahaefatra: momba ny fitantanan-draharaham-panjakana
Mahatsikaritra ny fikambanana fa mafy loatra ny fivangongoam-pahefana amin’ny Fanjakana foibe.
Nanomboka tamin’ity Repoblika faha-4 ity dia ny Fanjakana foibe no niandraikitra sy nitantana ny fiatrehana ny loza voajanahary. Andraikitry ny Fanjakana ny fanatanterahana izany ka tsy tokony hampiasana na hikendrena tombontsoan’antoko na fitaovana politika na anokafana ady hevitra maro hisintonana ny fon’ny vahoaka.
Nanomboka tamin’ny Repoblika faha-3 dia tsikaritra ny fampiasana ny lokon’antoko amin’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ary ny fanomezana samihafa. Indraindray dia olona na zaza tsy manantsiny no misalotra na mampiasa tsy amin’ny nahimpony ny lokon’antoko.
Manolo-kevitra ny fikambanana ny hampiasana ireo loko telon’ny sainam-pirenena, fotsy, mena, maintso, amin’ny anaran’ny Fanjakana, eny hatramin’ireo fotodrafitrasa sy tolotra sosialy ka nampiasana volambahoaka. Taratry ny fanajana ny tsy fitanilàn’ny fitantanan-draharaham-panjakana izany.
Mihevitra ny Fikambanana fa ny fametrahana ny fitsinjarampahefana tena izy dia miteraka fampandrandraisan’andraikitra ny olompirenena avy eny ifotony sy ny fanomezan-danja azy hialana amin’ny tian-kano tsy tiankano. Noho izany, mamporisika ireo mikasa ny hilatsaka ho fidiana ny hampiditra izany ao amin’ny vinam-piarahamonina kasainy hatolotra ny mpifidy.
Kisarisarim-pitsinjarampahefana no misy eto Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao satria tsy narahana famindram-pahefana tena izy araka ny olona, vola, fitaovana …. izany. Tsara ny lalàna fa tsy nampiharina araka ny tokony ho izy. Ohatra ny rafitra ifoton’ny fikaonandoha na SLC izay nanaovan’ny fikambanana ezaka tamin’ny kaominina maromaro, ny fametrahana ny faritra tena izy amin’ny alalan’ny fifidianana lehiben’ny faritra.

Antananarivo, faha-9 Marsa 2023

Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena