MIZOTRA MANKAIZA NY RAHARAHAM-PIRENENA?

0
195

Lah. 05/ Fanambarana/ Avril/ 2023/KMF-CNOE/
Raha ny zavamisy amin’izao fotoana izao, manoloana ireo lanonam-panjakana etsy sy eroa, dia manamarika ny Fikambanana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena fa manararaotra amin’ny lafiny maro ny Fitondrana ankehitriny :
Voalohany, mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika. Raha zohina ny zavamisy, efa fampielezankevitra mialohan’ny fotoana no misy amin’izao.
Faharoa, mampametram-panontaniana ny fandaniana mihoapampana amin’ireny lanonam-panjakana ireny, raha mihoatra amin’ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny.
Tsy mitondra any amin’ny fitoniana izao endrika fanararaotana izao, ary voahitsakitsaka tanteraka ny demokrasia.
Noho izany ny KMF/CNOE dia mitaky ny fampiharana mitovy na fanafoanana ny fanambarana, ny 31 martsa lasa, izay mandrara ireo hetsika politika atao an-kalamanjana ka miverina amin’ny fampiharana ny lalampanorenana sy ny lalana mikasika ny famorimbahoaka.

Antananarivo, faha-17 Avrily 2023

Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena