MIANDRANDRA FIFIDIANANA MADIO SY MILAMINA NY OLOMPIRENENA

0
200

Hiroso amin’ny fanavaozana ny fampindramam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana handraisan’ny olompirenena anjara i Madagasikara tsy ho ela. Izay lanin’ny maro an’isa eo no hitondra indray ny Firenena ao anatin’ny dimy taona. Efa tafiditra tanteraka amin’ny fotoana mialoha izany fiatrehana ny fifidianana izany i Madagasikara ankehitriny.
Eo anatrehan’izany mba hisian’ny fifidianana malalaka, ekena, andraisan’ny rehetra anjara sy hisian’ny fitoniana ary hampisehoana ny fahamatoran’ny fanaovana politika eto Madagasikara dia manao izao tolokevitra izao ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena :
Voalohany, aoka izay ny fanaovana mpikaraman’ady politika. Anisan’izany ny fampisehoana fihetsika toa mafana fo amin’ny fanohanana, ny filatsahana ho isan’ny kandida na dia fantatra mialoha fa tsy hihoatra ny telo na dimy isan-jaton’ ny vato aza no ho azo. Ny tena tanjona anefa dia ny hivarotana vato sy hahazahoana toerana fotsiny aorian’ny fifidianana. Miantso ny feon’ny fieretreretan’ny mpanao politika, ny mpanohitra sy ny hery afovoany ary ny mpitondra mba hahay hifandamina ka hanolotra kandida roa na telo farafahabetsany. Manampy be dia be amin’ny firindran’ny fifidianana izany sadyb manamora sy manatsara ny kalitaon’ny safidin’ny olompirenena no sady manakely fandaniana ihany koa. Mihevitra ny fikambanana fa azo tanterahina izany raha tena mpanao politika tia tanindrazana sy mitsinjo ny ho avin’ny Malagasy ianareo. Azo atao ho fitaratra amin’izany ny zavamisy ao Turquie. Maniry ny fikambanana mba ho kandida vokatry ny marimaritra iraisan’ny isam-pirehana no hirotsaka.
Faharoa, mahakasika ny fitakiana ny mangarahara eo amin’ny tombontsoa lazaina fa mihoampampana raisin’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana :
Tsy misy tsy milaza ary miharihary toa tafika andrefan-tànana fa mahantra ny Malagasy. Etsy andaniny anefa araka ny hita eny amin’ny tambazotran-tserasera, dia mandray vola mihoampampana ny mpanao politika nampindramina fahefana eto Madagasikara.
Eo anatrehan’izany, ny fikambanana dia mitaky ny hamoahan’ireo lehiben’ny andrim-panjakana ny tombontsoa raisin’izy ireo avy mba ho fantatry ny olompirenena. Manomboka any amin’ny Filohan’ny Repoblika, mandalo eo amin’ny Governemanta ary ny Antenimierandoholona sy Antenimierampirenena.
Nisy ihany ireo olomboafidy nilaza tamin’ny fotoana nanaovany fampielezankevitra fa tsy handray karama na tambikarama rehefa mahazo fahefana. Amin’izao fotoam-pamaranana ny taompiasana izao, miantso ireny olomboafidy ireny izahay mba hilaza sy hanambara fa tena tsy noraisiny tokoa izany karama sy tambikaramany izany. Heverina fa ny tsy fahatanterahana na ny tsy fitenenana ampahibemaso mahakasika izany fampanantenana izany dia fitaka nahazoana ny safidim-bahoaka fotsiny.
Fahatelo, momba tsy « neutralité des fonctionnaires ».
Natao ho elanelana eo amin’ny mpanapakevitra politika sy ny olompirenena ny mpiasam-panjakana fa tsy natao hanompo ny mpanao politika mandalo eo amin’ny fitondrana. Miantso ny mpiasam-panjakana rehetra mba hanao ny asa nankinina aminy fa tsy hiditra amin’ny fanaovana politika politisianina. Voararan’ny lalàna rahateo ny fampiasana fitaovam-panjakana : olona, fitaovana, vola sy ny sisa hampiasaina amin’ny raharaha politika. Tononina manokana ianareo mpiasam-panjakana ambony notendrena teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra.
Eo anatrehan’izany mbola manamafy ny fitakiana ny hamoahana ny tetiandron’ny fifidianana kaominaly ny fikambanana KMF/CNOE– Fanabeazana olompirenena.
Natao teto Antananarivo, ny 10 May 2023

Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olompirenena