Fanambarana mahakasika ny Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020

0
684

FANAMBARANA

 

Araka ny fanapahana laharana 10-HCC/AR tamin’ny 16 oktobra 2020 dia namoaka ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenna fa azo raisina ny fangatahana fanafoanana ny didim-panjakana 2020-1110 manaika ny mpifidy amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 desambra 2020 nataon’ny KMF/CNOE- Fanabeazana Olompirenena.  Raha arak’io fanapahana io anefa dia tsy maintsy hisy ny fifidianana Loholona amin’ny 11 desambra 2020.

Efa nampoizina ihany ity fanapahana ity tao aorian’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alarobia lasa teo. Maneho ny fahagagany ihany ny KMF/CNOE- Fanabeazana Olompirenena satria toa mbola tsy nandeha akory ny fitsarana ny raharaha dia efa hita soritra ny valiny izay navoaka ampahibemaso mihitsy.

 

Inona moa no antony nanaovana iny fangatahana fanafoanana iny tamin’ny 11 septambra 2020?

 

-Nahita ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena fa ho voahitsakitsaka ny zo maha mpifidy ireo olomboafidy sasany izay mbola miandry ny valin’ny raharaha eny anivon’ny Filan-kevi-panjakana;

-Tsapa ihany koa fa ho very zo ireo kaominina sasany izay mbola tsy nahavitana fifidianana hatreto;

-Tsapa ihany koa fa tsy mahazo ny hasina sy ny zo tokony ho azy ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sasany (Faritra sy Faritany) izay efa tokony hipetraka ka hanana mpifidy anefa mbola tsy manana olona voafidy araka ny lalampanorenana hatramin’izao;

– Tsapa ny tsy fanajana ny lalam-pifidianana eo amin’ny fotoana tokony hanatanterahana fifidianana…

 

Ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena amin’ny maha mpanabe sy mpandala ny tany tan-dalàna azy dia manaja mandrakariva ny lalàna manan-kery. Tsy azo ivalozana ny didy sy ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena, koa noho izany, dia tsy maintsy hirosoana ny fifidianana. Manoloana izany dia VONONA mandrakariva ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ho avy, mba ho fifidianana tsy handiso fanantenana no hiseho. Ary manainga ny mpisehatra rehetra mba hanaja sy hampanaja ny lalàna manan-kery.

 

Farany, dia maneho fisaorana ireo mpisolovava nanaiky maimaim-poana hisolo tena azy ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena.

 

Antananarivo, 16 oktobra 2020

Ny birao nasionaly

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici