KMF/CNOE. FITAKIANA FAMERENANA FIFIDIANANA : “Misedra olana ny kaominina notantanan’ny PDS”

0
63

“Tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanana teo aloha, tsy nisy famerenana fifidianana. Tsikaritra ho nandalo fahasahiranana ireny kaominina izay notarihin’ireo Filohan’ny Delegasiona manokana na PDS ireny raha nitaha tamin’ireo notantananan’ny Ben’ny Tanana voafidin’ny olompirenena.” Araka ny fanambaran’ny Filoha Nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison, ny faran’ny volana janoay teo, teny amin’ny Foibeny Antanimena. Manoloana ireo didy famerenana ny fifidianana, mitaky tokoa ny fanatanterahana izany ny fikambanana.
« Zo sy fahefan’ny Fitsarana misahana ny Fanjakana ny famoahama didy famerenana ny Fifidianana”. Hoy hatrany ny Filoha Nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison.Raha ny fampitam-baovaony hatrany, ny hany hita anaty lalàna, raha misy fahabangana dia 120 andro, aorian’izay no hifidianana ny ho Ben’ny Tanana. Raha ny fomba fijeriny, tsy tsikaritra anaty lalàna ny fe-potoana famerenana ny fifidianana toa izao. Izay olana amin’ny lalana izay no Ilana ny fanavaozana ny rafi-pifidianana na ny « système électoral » izay dradradrain’ny fikambanana hatrany. Miantso ny CENI sy ny Governemanta ity Filohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ity hanaja ny didy ka tena hamerina tokoa ireo fifidianana ireo.
Manao antso avo ireo olompirenena ampy taona ihany sy ireo tsy ao anaty lisitra koa hiditra anaty lisi-pifidianana amin’izao fanavaozana isan-taona izao. Araka ny angom-baovaon’ny fikambanana avy amin’ireo ratsa-mangaikany, misedra olana ireo mpanentana hiditra amin’izany lisitry ny mpifidy izany ka mahazo valy boraingina hoe: “Amin’ny alalan’ny ordonnances dia tafiditra”, hoy hatrany ny Robert Namearison, Filoha Nasionalin’ny KMF/CNOE, manoloana ireo manao gazety.
Ny Serasera KMF/CNOE