MENDRIKA RAFI-PIFIDIANANA MARINA NY MALAGASY : Mangarahara, manaja ny safidiny

0
98

Tontosa ny 29 May 2024 lasa teo ny fifidianana ho Solombavambahoaka ho any amin’ny Antenimieram-pirenena. Nanara-maso ny fizotran’io fifidianana io ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena tamin’ny birao fandatsaham-bato manerana ny distrika 110 izay ahitana ny rantsa-mangaikan’ny fikambanana.
Nilamina ny niatrehan’ny olompirenena iny fifidianana iny tamin’ny toerana maro.
Tsy lavorary anefa izany fa nisy ihany ireo indro kely; toa izao ny fahitan’ny fikambanana ny tranga niseho :
Tranga miabo
Nisokatra daholo ny birao fandatsaham-bato manerana ny Nosy, novana ny endriky ny toeram-pitokanana na “Isoloir”. Amin’ny ankapobeny, tonga ara-potoana teo anivon’ny CED ireo fitaovana hampiasaina hikirakirana ny fifidianana.
Nisy ny fiofanana mialoha nomena ireo ho mpikirakira ny fifidianana (BV sy SRMV), haingana kokoa ny fahavitan’ny SRMV maro ny asany ka tsy lany ny 5 andro fe-potoana farany.
Betsaka ireo kandida afaka nisitraka ny zony amin’ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra (confrontations des PV) sy amin’ny fametrahana fitarainana ary fitoriana.
Tranga mila arenina
Famoahana ireo didim-panjakana dimy mahakasika ny fifidianana tamin’ny fotoana samy hafa izay tsy mampitovy ny herijikan’ny kandida.
Nanjaka ny fampielezan’entana sy vola nandritra fampielezan-kevitra izay tsy mifototra amin’ny asan’ny Antenimiera. Mibaribary ny fampandaniana sy fampandresena kandida ataon’ny mpiasam-panjakana sy ny olomboafidy ary ny Sefo fokontany, mivantana na ankolaka, nirahina ve sa nanira-tena? Mampitanila ny tena safidim-bahoaka marina izay fototry ny demokrasia izany.
Tsy ampy ny toerana fametrahana afisy ary indraindray amin’ny toerana tsy talaky maso ka mitarika ny tsy fanajana ny lalàna velona.
Fohy ny fotoana nampiofanana ireo mpikambana anaty biraom-pifidianana, tsy tomombana ny fomba fampitana ny fiofanana ka tsy ampy ahafehezan’ny mpiofana ny andraikiny ny fiofanana nomena azy ireo.
Tara ny fahatongavan’ny fitaovana ampiasaina amin’ny fifidianana, indrindra teny anivon’ny tanandehibe maro, nisy ny fifamadihana ireo atontantaratasy ilaina amin’ny fifidianana, nitarika ny fahataran’ny fahafahan’ny mpifidy nandatsa-bato izany.
Iva loatra ny “Isoloir” na ratsy toerana ka tsy afaka miantoka tanteraka ny fahalalahan’ny olompirenena hisafidy araka ny nahimpony.
“Marqueur” no nampiasaina tao anaty “isoloir” sasany ka tsy azo antoka ny tsiambaratelon’ny safidy fa hita avy aty ivelan’ny biletà ny marika.
Misy ireo mpanara-maso no noverezin-jo ka tsy afaka nifidy, nefa dia tao anatin’ny fari-pifidianana nisoratany izay namitany iraka izany.
Misy ireo olompirenena manana kara-pifidianana nifidy tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena kanefa tsy tafiditra anaty lisitra tamin’ity fifidianana ity.
Maro ary mampametra-panontaniana ny habetsak’ireo mpifidy amin’ny lisitra tovana, tamin’ny birao fandatsaham-bato maro.
Miverina indray ny resaka mahakasika ny fividianana vaton’ny mpifidy, hala-bato, “bulletins pré-cochés”, fahatapahan-jiro izay porofon’ny fihemoran’ny kalitaon’ny rafi-pifidianana “système éectoral”.
Mbola hita ihany koa ny tsy fanaterana mivantana ireo antontaratasim-pifidianana avy ao amin’ny biraom-pifidianana mihazo ny SRMV, sy ny valopy misokatra tonga teny amin’ny SRMV.
Fisian’ny doro birao sy toerana niasan’ny SRMV.
Sarotra ny fahazoam-baovao, tsy voahaja ny zo manara-maso teo amin’ny SRMV. Tsy nahavaly ny filàna ny vaovao ho an’ny olompirenena sy ny mpanao politika ka niteraka fiahiahiana ny tosa-baovao avoakan’ny CENI. Nanova fomba fiasa teo amin’ny fangaraharahan’ny famoahana ny fironam-bokatra ny CENI raha oharina tamin’ny famoahana ny vokatra isaky ny birao fandatsaham-bato, tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika farany teo.
Mibaribary ny fitsabahan’ny Ministeran’ny Atitany, mivantana na ankolaka amin’ny alalan’ireo ratsa-mangaikany mandritra ny zotram-pifidianana.
Rakotra fifanakianana sy fanamarinan-tena ny haino vaky jery ka fiarovana tombontsoa manokana no hita mivandravandra amin’izany. Lasa misolo-toerana ny CENI sy ny HCC ny haino vaky jery. Tsy mitondra fitoniana fa manakorontana ny saim-bahoaka izany.
Tranga nisongadina
Resy foana ny antoko manohana ny fitondrana tamin’ny vokatra voalohany nivoaka avy amin’ireo tanan-dehibe maro fa manova ny fironanany ny fahatongavan’ny vokatra avy any ivelan’ireo Renivohitra isan’ambaratongany.
Nitombo avokoa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ivelan’ny tanandehibe
Tsy niomana tamin’ny fifidianana ny mpanao politika : tsy nanana fitaovana, delege ny ankamaroany.
Tsy manana etika ny mpanao politika maro, rehefa tsy natolotry ny vondrona dia lasa nahaleo tena ka nariany hatramin’ny antokony.
Tsikaritra koa ny fahambanian’ny taha fandraisan’anjaran’ny olompirenena. (43,08 % ny 2019 ary 48,03% ny 2024 izay mbola latsaky ny antsasamanila)
Antso avo
Eo anatrehan’izany dia miandrandra fitoniana hatrany ny fikambanana. Manizingizina fa mba ho hajaina lalandava ny safidin’ny olompirenena. Miantso hatrany ny HCC ny Fikambanana mba hamoaka vokatra ankalalahana, araka ny tena marina sy ny lalàna.
Tsy hisy ny «majorité absolue» fa tsy maintsy « majorité relative » no hitranga, aoka ianareo tsy miankina mba hanaja ny safidin’ny olompirenena fa tsy hiandany amin’ny vondrona IRMAR na ny vondron’ny mpanohitra FIRAISANKINA sy KOLEKTIFA, famitahana ny mpifidy anareo izany, indrindra ho anareo izay mikasa hanao izany.
Fanatsarana
Manamafy ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena fa tonga izao ny fotoana hanaovana fanatsarana ny rafi-pifidianana, na «système électoral» Malagasy mba hanamafisana kokoa ny fahefan’ny olompirenena. Izany dia tsy ho tanteraka raha tsy hisy ny fanitsiana ny Lalampanorenana amin’ireto andininy ireto 3, 5, 24, 46, 55, 70, 72, 114, Toko II manontolo, 161, 162, 166 ary 168. Tazonina ny dingana tsara efa vita, ohatra ny andininy faha 163. Manampy izany ny fanatsarana ny làlana mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevibahoaka, lalàna momba ny CENI ary ny HCC, ny lalànam-pifidianana. Mila hatsaraina ihany koa ny lalàna mifehy ny antoko politika.
Fitakiana
Ny fikambanana dia mitaky :
– Fanasaziana ireo voarohirohy amin’ny raharaha mahakasika fifidianana,
– Ny fananganana ny ANRCM,
– Fanajana ny safidim-bahoaka
– Fanatsarana ny système électoral
Eto am-pamaranana, ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia manambara fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Fikambanana.

Antananarivo, faha-20 Jona 2024
Ny Birao Nasionaly
KMF/CNOE – Fanabeazana olompirenena